Levitîka
Toko faha-12
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Raha misy vehivavy niandry volana ka tera-dahy, dia haloto mandritra ny fito andro izy, tahaka ny aharetan'ny fahalotoany amin'ny fadimbolany.
3 Amin'ny andro fahavalo, dia hoforana ny zaza.
4 Ary mandritra ny 33 andro aorian'izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana; ka tsy hikasika zava-masina izy na hiditra ny Toeramasina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5 Raha misy kosa vehivavy tera-bavy, dia haloto tahaka ny amin'ny fadimbolany izy, kanefa tapa-bolana no haharetan'ny fahalotoany; ary mandritra ny 66 andro aorian'izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana.
6 Rehefa tapitra ny fetr'andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin'ny mpisorona eo anoloan'ny Tranolay fihaonana: zanak'ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.
7 Hatolory ny mpisorona eo anatrehan'ny TOMPO ireo sorona ireo, ary rehefa nataony tamin-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio ny amin'ny ra very teo am-piterahana izy. Ireo no fepetra momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
8 Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon'ny mpisorona tamin'ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.