Levitîka

Toko voalohany

1 Niantso an'i Mosesy ny TOMPO ka niteny taminy avy ao amin'ny Tranolay fihaonana

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: Rehefa misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho sorona amin'ny TOMPO, dia omby na ondry na osy no aoka hatolony ho sorona.

3 Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan'ny TOMPO.

4 Izay mpanolotra no hametra-tanana eo amin'ny lohan'ilay omby hatao sorona; dia hankasitrahina izany mba hahazoany famelan-keloka.

5 Izy ihany no hamono ilay omby eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO; fa ireo mpisorona taranak'i Aharona kosa hitondra ny ra ka hamafy azy manodidina eo amin'ny rindrin'ny alitara, dia ilay alitara izay eo anoloan'ny Tranolay fihaonana.

6 Izay mpanolotra no hanenda-koditra ilay omby sy hanao rasa vaventy azy;

7 fa ireo taranak'i Aharona mpisorona kosa hanisy vainafo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo ambonin'ny vainafo;

8 ary mbola ny mpisorona taranak'i Aharona ihany no handahatra eo ambonin'ireo kitay ireo ny omby voarasa mbamin'ny lohany sy ny taviny.

9 Izay mpanolotra no hanasa amin'ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin'ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

10 Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.

11 Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak'i Aharona kosa hamafy ny ra manodidina eo amin'ny rindrin'ny alitara.

12 Izay mpanolotra no hanao rasa vaventy azy sy hanesotra ny lohany sy ny taviny; fa mpisorona anankiray kosa no handahatra ireny eo ambonin'ny kitay izay napetraka tambony vainafo eo amin'ny alitara.

13 Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin'ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

14 Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin'ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.

15 Hoentin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara; ary hofiazany hiraraka eo amin'ny rindrin'ny alitara ny rany.

16 Dia hoesoriny ny takorobabony mbamin'ny ao anatiny, ka hararany eo atsinanan'ny alitara, eo amin'ny fitobian-davenona;

17 ary hosamahiny anelanelan'ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny alitara, dia eo ambonin'ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin'ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an'ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0597