Kôlôsianina
Toko faha-4
1 Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.2 Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany omban'ny fisaorana an'Andriamanitra.
3 Mivavaha koa ho anay, mba hataon'Andriamanitra afaka malalaka mitory ny teniny izahay, ka hanambara ny tsiambaratelo momba an'i Kristy. Fa ny fitoriana izany tsiambaratelo izany indrindra no mahavoafonja ahy izao.
4 Mivavaha ary mba hanambarako izany mazava tsara, araka izay tokony hoteneniko.
5 Manana fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.
6 Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.
7 I Tisiko hava-malalantsika, mpandraharaha mahatoky sady namana mpiray fanompoana amiko eo amin'ny asan'ny Tompo, dia hampahafantatra anareo ny vaovao rehetra momba ahy.
8 Izany indrindra no nandefasako azy aty aminareo, mba hahafantaranareo ny momba anay sy hampahery fo anareo.
9 Miaraka aminy koa i Onesimo, ilay hava-malala sy mahatoky avy aty aminareo; ka dia izy roa lahy no hampahafantatra anareo ny toe-javatra rehetra aty aminay.
10 Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak'olo-mpiray tampo izy sy i Barnaba); efa nahazo hafatrafatra momba an'i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga aty aminareo.
11 Manao veloma anareo koa i Jesoa, ilay atao hoe Josta. Izy telo lahy ireo no Jiosy tonga kristianina izay miara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra, ka nanjary fampaherezana ho ahy tokoa.
12 Manao veloma anareo i Epafra, izay avy aty aminareo; io mpanompon'i Kristy Jesoa io dia mikely aina mandrakariva mivavaka ho anareo, mba hijoroanareo ho olona matotra ary vonona tanteraka hanao izay rehetra sitrak'Andriamanitra.
13 Vavolombelona aho ny aminy fa misahirana fatratra izy ho anareo sy ho an-dry zareo any Laodisia ary ho an-dry zareo any Hierapoly.
14 Manao veloma anareo i Lioka, ilay dokotera hava-malalantsika, sy i Demasy.
15 Veloma any amin'ireo havana any Laodisia; ary veloma any amin'i Nimfa sy ny Fiangonana mivory ao an-tranony.
16 Rehefa voavaky eto aminareo ity taratasy ity, dia ataovy izay hamakiana azy koa any amin'ny Fiangonan'i Laodisia; ary dia mba vakionareo kosa ilay taratasy avy any Laodisia.
17 Lazao amin'i Arkipo fa tsy maintsy hotontosainy tsara ny fandraharahana noraisiny ho fanompoana ny Tompo.
18 Soratanako ireto teny ireto: veloma, hoy i Paoly. Tsarovy fa voafonja aho. Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!