Jakôba

Toko faha-4

1 Avy aiza moa ireo ady sy fifandirana eo aminareo? Ny fototr'ireny dia ny filandratsinareo, filandratsy izay miady ao amin'ny tenanareo.

2 Mitsiriritra zavatra ianareo nefa tsy mahazo, dia mamono olona; maniry mafy hanan-javatra ianareo nefa tsy afaka manana, dia mifanditra sy miady. Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka amin'Andriamanitra;

3 mangataka amin'Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan'ny filandratsinareo no angatahinareo.

4 Olona mivadika amin'Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin'izao tontolo izao dia fahavalon'Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan'izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra.

5 Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak'Andriamanitra ao anatintsika.

6 Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.

7 Koa maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra lavitra anareo izy.

8 Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.

9 Malahelova, mitomania ary midradradradra; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo.

10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

11 Aza mifanaratsy, ry havana! Izay manaratsy ny havana iray finoana na manameloka azy dia sady manaratsy no manameloka ny lalana. Ka raha manameloka ny lalana ianao, dia tsy mpanatanteraka ny lalana fa mpitsara azy.

12 Andriamanitra anefa no hany mpanome ny lalana sady mpitsara; Izy no hany mahavonjy sy mahavery. Fa iza kosa ianao no manameloka ny namanao?

13 Mihainoa ahy izao ianareo manao hoe: Anio na rahampitso dia hankany Ananona izahay, handany iray taona any ka hivarotra sy hahazo vola.

14 Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona.

15 Aleo ianareo manao hoe: Raha sitrapon'ny Tompo ka velona aina, dia hataonay izao na izatsy;

16 fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany.

17 Koa izay mahalala ny tsara tokony hatao nefa tsy manao, dia manota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0808