Jakôba

Toko faha-3

1 Ry havako, aza dia maro loatra no te ho mpampianatra, satria fantatrareo fa hotsaraina mafy kokoa izahay mpampianatra.

2 Eny, diso amin'ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin'ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa.

3 Asiantsika lamboridy ny vavan-tsoavaly mba hanoavan'ny soavaly antsika; ary dia voataritsika ny tenany manontolo.

4 Jereo koa ny sambo: na lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia voatariky ny fanamory kely hankany amin'izay itiavan'ny mpanamory hitondrana azy.

5 Dia toy izany koa ny lela: kely izy eo amin'ireo zavatra anisan'ny tena, nefa mirehaka ho mahefa zava-baventy. Saino fa pitik'afo tsy toy inona dia afa-mampirehitra alabe.

6 Tahaka ny afo ny lela: manjary fototry ny faharatsiana tsy hita lany izy eo anivon'ireo zavatra anisan'ny tenantsika; mandoto ny tenantsika manontolo izy, ka sady mandrehitra afo eo amin'ny fizotran'ny fiainantsika no arehitry ny afo avy amin'ny lohasahan'afo.

7 Folahin'ny olombelona daholo ny karazam-bibidia sy ny karazam-borona mbamin'ny biby mandady amin'ny tany sy ny zavamananaina any an-dranomasina, ary dia voafolany avokoa.

8 Fa tsy misy olombelona na iray aza efa nahafolaka ny lela: zava-dratsy saro-pehezina ny lela sady feno poizina mahafaty.

9 Izy no ankalazantsika an'ilay Tompo sady Ray, ary izy koa no anozonantsika ny olona izay noarina araka ny endrik'Andriamanitra:

10 vava iray ihany no ivoahan'ny teny fankalazana sy fanozonana. Ry havako, tsy mety ny toy izany!

11 Misy ve vavan-doharano manao indray mamoaka rano mamy sy rano mangidy?

12 Ny aviavy ve, ry havako, mety hamoa oliva, na ny voaloboka hamoa aviavy? Koa ny loharano masira tsy mety hanome rano mamy.

13 Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin'ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony.

14 Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina.

15 Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny ety an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin'ny demony;

16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'ny asa ratsy isan-karazany.

17 Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.

18 Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy amim-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576