Jônà
Toko faha-4
1 Tsy nahafaly an'i Jona mihitsy izany ka dia nirehitra ny fahatezerany.2 Nivavaka tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe: TOMPO o, izao indrindra no efa nahiko raha mbola tany amin'ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsisy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin'ny loza.
3 Ankehitriny, TOMPO o, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.
4 Fa hoy ny TOMPO: Rariny ve raha nirehi-pahatezerana ianao?
5 Dia nivoaka ny tanana i Jona ka nijanona teo atsinanan-tanana. Dia nanamboatra trano bongo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony niandry izay hitranga ao an-tanana.
6 Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan'i Jona ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an'i Jona tokoa io zavamaniry io.
7 Ny ampitso vao mangiran-dratsy anefa dia nandefa fositra kosa Andriamanitra hikiky ilay zavamaniry ka maina tery io.
8 Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan'i Jona ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: Aleoko maty toy izay velona.
9 Fa hoy Andriamanitra taminy: Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin'io zavamaniry io ianao? Ary novalian'i Jona hoe: Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.
10 Dia hoy ihany ny TOMPO hoe: Malahelo io zavamaniry io ianao kanefa tsy nisasatra taminy kely akory na nanao izay nampaniry azy. Fa indray alina fotsiny no naniriany, dia maty rehefa avy niaina indray alina izy.
11 Koa Izaho ve tsy mba halahelo an'i Ninive, dia ilay tanana lehibe misy olona maherin'ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahafantatra akory ny mahasoa azy, mbamin'ireo biby fiompy tsy tambo isaina?