Jônà

Toko faha-3

1 Ary nisy baikon'ny TOMPO fanindroany tamin'i Jona nanao hoe:

2 Mitsangana ka mankanesa any Ninive ilay tanana lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.

3 Dia nitsangana i Jona ka niainga nankany Ninive, araka ny baikon'ny TOMPO. Tanana lehibe tokoa i Ninive, fa telo andro no fitetezana azy.

4 Dia nanomboka ny fitetezana tamin'ny andro voalohany i Jona ka nitory hoe: Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.

5 Nino an'Andriamanitra ny mponin'i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina ary nitafy gony hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely.

6 Rehefa ren'ny mpanjakan'i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin'ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin'ny lavenona.

7 Dia nasainy nambara nanerana ny tanana izao didim-panjakana izao: Araka ny didin'ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory.

8 Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra ka hiala amin'ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany.

9 Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin'ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.

10 Rehefa hitan'Andriamanitra ny fihetsik'ireo Ninivita izay niala tamin'ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591