Jônà
Toko faha-2
1 Nandefa trondro lehibe hitelina an'i Jona ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon'ilay trondro i Jona.2 Tao izy no nanandratra izao vavaka izao tamin'ny TOMPO Andriamaniny
3 ka nanao hoe: Tao an-katerena aho, TOMPO o, no velon-taraina taminao, ka namaly ahy Ianao; tao anatin'ny toeran'ny maty no niantsoako vonjy taminao, ka nihaino ahy Ianao.
4 Natsipinao tao amin'ny lalina aho, dia tao an-kibon'ny ranomasina. Nanafotra ahy ny riaka; natosakao tamiko avokoa ny alon-dranonao aman'onjanao.
5 Dia hoy aho anakampo hoe: Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao, Tompo o, kanefa mbola manatrika ny tempolinao masina ihany.
6 Efa mby hatendako ny rano; nanafotra ahy ny ranomasina, ary ny ahidrano nisaringotra amin'ny lohako.
7 Tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin'ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro o, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.
8 Raha iny efa ho faty iny aho, dia nahatsiaro Anao, TOMPO o, ary ny vavaka nataoko taminao dia tonga tao an-tempolinao masina.
9 Fa izay mivavaka amin'ny andriamani-tsiizy dia aoka hiala amin'ireny sampy ifikirany ireny.
10 Fa izaho kosa amin-kira fiderana no hanolorako sorona aminao, ary hanefako ny voady izay nataoko. Anao, TOMPO o, ny famonjena!
11 Ary notenenin'ny TOMPO ilay trondro mba hamoaka an'i Jona, dia naloany ho eny amin'ny tany maina izy.