Jônà

Toko voalohany

1 Indray andro dia nisy baikon'ny TOMPO tamin'i Jona zanakalahin'i Amitahy nanao hoe:

2 Mitsangana ka mankanesa any Ninive, ilay tanana lehibe. Torio ny amin'ny hamelezana azy, satria tafakatra eto anatrehako ny faharatsian'ny mponiny.

3 Nefa niainga handositra ho any Tarsisy hanalavitra ny TOMPO i Jona. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsisy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin'ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.

4 Fa nampifofofofo rivo-mahery teny amin'ny ranomasina ny TOMPO; dia nanonja mafy ny ranomasina ka nila ho vakin'ny tafiotra ny sambo.

5 Natahotra mafy ny matilo ka samy niantso vonjy tamin'ny andriamaniny avy. Dia natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Tamin'izay kosa i Jona efa nidina nandry tao anaty sambo iray ka resin-tory.

6 Dia nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary nanontany azy hoe: Fa manao inona eto ianao? Toa matory! Mitsangana, ka mba antsoy koa ny Andriamanitrao, fa angamba hieritreritra antsika Izy ka tsy hamela antsika ho faty.

7 'Ndeha isika hanao antsapaka hahitana izay tompon'andraikitra mahatonga izao loza izao amintsika. Natao ny antsapaka ka nianjera tamin'i Jona.

8 Hoy ireo taminy: Tompon'andraikitra amin'izao loza manjo antsika izao ianao, koa lazao anay izay mahatonga anao eto. Avy taiza ianao? Aiza no tany fiavianao? Olom-pirenena avy aiza ianao?

9 Hoy ny navalin'i Jona ireo: Hebreo aho, ary ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra Izay nanao ny ranomasina sy ny tany no ivavahako.

10 Tamin'izay dia raiki-tahotra ireo matilo raha nitantarany fa hay nandositra ny Tompo izy. Ka hoy ireo taminy: Fa naninona ianao no nanao izany?

11 Hataonay ahoana ary ianao mba hampitony ny ranomasina aminay? Vao mainka nihanahery hatrany ny ranomasina.

12 Hoy i Jona tamin'ny matilo: Batao aho ka atsipazo any anaty ranomasina dia hitony aminareo io. Fantatro fa noho ny fahadisoako no mahatonga izao tafio-drivotra mahery izao aminareo.

13 Nivoy mafy ireo matilo hahatrarana ny moron-dranomasina nefa tsy nahafa-piry, satria vao mainka nitroatra ny ranomasina.

14 Dia nitaraina tamin'ny TOMPO ireo ka nanao hoe: TOMPO o, aza avelanao ho faty noho ny amin'ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan'ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao.

15 Dia nobatain'ireo i Jona ka natsipiny tany anaty ranomasina, ary nijanona ny fisafoaky ny tafio-drivotra.

16 Natahotra ny TOMPO noho izany ireo matilo ka nanolotra sorona sady nivoady taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557