Jôhany
Toko faha-9
1 Raha nandalo ry i Jesoa, dia nahita lehilahy jamba hatry ny vao teraka.2 Dia nanontany an'i Jesoa ny mpianany nanao hoe: Mpampianatra o, iza moa no nanota, ralehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy izy no nanota na ny ray aman-dreniny, fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan'Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan'iza na iza miasa!
5 Raha mbola eo amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavana ho an'izao tontolo izao.
6 Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany sy nanao feta tamin'ny rorany, ka nanosotra feta ny mason'ilay jamba
7 ary nanao taminy hoe: Ndeha ianao misasa maso any amin'ny dobo Siloa. (Siloa dia midika hoe Nirahina.) Dia lasa nankany izy ary nisasa maso ka nahiratra rehefa niverina.
8 Tamin'izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe: Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka? Ka hoy ny sasany: Izy io!
9 Fa hoy ny sasany: Tsia, fa olona mitovy aminy! Ralehilahy kosa nilaza hoe: Izaho mihitsy ity!
10 Dia hoy ny olona taminy: Fomba ahoana ary no nahiratan'ny masonao?
11 Fa novaliany hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta sy nanosotra ny masoko, dia nanao tamiko hoe: Ndeha ianao mankany amin'ny dobo Siloa, dia misasa maso. Koa lasa nankany aho, dia nisasa maso ary nahiratra.
12 Dia hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izay? Fa novaliany hoe: Tsy fantatro!
13 Dia nentin'ny olona tany amin'ny Farisianina ilay jamba taloha.
14 Andro sabata no nanaovan'i Jesoa ny feta sy nampahiratany maso azy;
15 koa ireo Farisianina indray no nanontany ilay jamba taloha ny amin'ny fomba nahiratany, ary izao no navaliny: Nasiany feta ny masoko, dia nisasa maso aho ka nahiratra!
16 Tamin'izay ny sasany tamin'ireo Farisianina dia nanao hoe: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata! Ny sasany kosa nanao hoe: Fomba ahoana moa no ahafahan'olona mpanota manao famantarana toy ireny? Dia nisara-tsaina ry zareo.
17 Ary hoy indray ireto Farisianina tamin'ilay jamba: Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy? Ka novaliany hoe: Mpaminany Izy.
18 Tamin'izay ny manampahefana jiosy dia tsy nino hoe jamba taloha ralehilahy ka nahiratra, ambara-piantson-dry zareo ny ray aman-dreniny
19 nanontaniany hoe: Ralehilahy io ve no zanakareo izay lazainareo fa teraka jamba? Fomba ahoana ary no nahiratany ankehitriny?
20 Dia izao no navalin'ny ray aman-dreniny: Fantatray fa izy io dia zanakay sady teraka jamba;
21 fa tsy fantatray ny fomba nahiratany ankehitriny, ary tsy fantatray koa izay olona nampahiratra ny masony. Izy anontaniana fa efa lehibe, ka dia izy ihany no hilaza ny amin'ny tenany.
22 Izany no tenin'ny ray aman-dreniny noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy; satria efa nifanaraka ny manampahefana jiosy fa raha manaiky an'i Jesoa ho Mesia, dia horoahina hiala amin'ny sinagoga.
23 Ka izany no nitenenan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, ka izy anontaniana!
24 Dia nantsoin'ireo Farisianina indray ilay jamba taloha, ka nilazany hoe: Lazao ny marina eo anatrehan'Andriamanitra! Izahay aloha dia tsy mahalala fa mpanota iny Lehilahy iny.
25 Ka hoy ny navaliny azy: Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray ihany no fantatro: jamba aho taloha fa mahiratra ankehitriny.
26 Dia hoy ireo taminy: Inona no nataony taminao? Fomba ahoana no nampahiratany ny masonao?
27 Fa novaliany hoe: Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo! Ka ahoana no itiavanareo mihaino izany indray? Te ho tonga mpianany koa ve ianareo?
28 Dia notevatevain'ireo Farisianina ralehilahy sady nataony hoe: Ianao no mpianany fa izahay mpianatr'i Mosesy.
29 Fantatray fa i Mosesy dia nitenenan'Andriamanitra; ilay iny kosa tsy fantatray izay ipoirany.
30 Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe: Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy!
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny.
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason'olona teraka jamba.
33 Raha toa tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona.
34 Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tanatin'ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay? Dia noroahin'ny Farisianina hiala amin'ny sinagoga ilay jamba taloha.
35 Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagoga ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe: Mino ny Zanak'olona ve ianao?
36 Fa novaliany hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Dia hoy i Jesoa taminy: Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!
38 Ka hoy ralehilahy hoe: Mino aho, Tompoko! Sady niankohoka teo anatrehany izy.
39 Dia hoy i Jesoa: Ho fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra!
40 Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe: Izahay koa ve jamba?
41 Dia hoy i Jesoa taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.