Jôhany
Toko faha-6
1 Taorian'izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan'ny farihin'i Galilea (na hoe farihin'i Tiberiada).2 Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan'izy ireo ny famantarana nataon'i Jesoa hanasoavana ny marary.
3 Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin'ny mpianany.
4 Tamin'izay dia efa akaiky ny Paska, ilay fankalazana fanaon'ny Jiosy.
5 Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin'i Filipo hoe: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
6 Fizahan-toetra an'i Filipo no nilazan'i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony.
7 Dia hoy i Filipo taminy: Na dia mofo mitentina denary 200 aza, tsy ampy hahazoan'ny tsirairay sombiny kely akory!
8 Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
9 Misy zazalahy ao manana mofo orza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin'izao olona marobe izao?
10 Dia hoy i Jesoa hoe: Asaovy mipetraka ny olona! Noho ny fisian'ny ahitra be teo amin'ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan'ny vatan-dehilahy.
11 Tamin'izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an'Andriamanitra dia nizara azy ho an'izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain'ny mpihinana.
12 Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!
13 Dia nangonin'ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin'ny mofo orza dimy, dia izay sisa tsy lanin'ny nihinana.
14 Rehefa nahita ny famantarana nataon'i Jesoa teo ny olona, dia vaky vava hoe: Ity tokoa ilay Mpaminany voalaza fa tsy maintsy ho tonga amin'izao tontolo izao!
15 Fantatr'i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
16 Nony hariva ny andro, dia nidina nankeny amoron'ny farihy ireo mpianatr'i Jesoa.
17 Ary niondrana an-tsambokely izy ireo ka nita ny farihy ho any Kafarnahoma. Efa maizina ny andro tamin'izay, nefa i Jesoa mbola tsy tonga teo amin'ireo mpianany;
18 ary nanonja ny farihy, satria nifofofofo mafy ny rivotra.
19 Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra izy ireo, dia nahita an'i Jesoa nandeha teny ambony farihy sy nanakaiky ny sambokely; hany ka raiki-tahotra ireo mpianatra.
20 Fa hoy kosa i Jesoa taminy: Izaho ihany ity, fa aoka izay ny tahotra!
21 Dia te handray Azy ho eo an-tsambokely ireo mpianany; nefa niaraka tamin'izay dia tafatody tamin'ny tany nokasain'izy ireo haleha ny sambokely.
22 Ny ampitson'iny, dia tsikaritry ny vahoaka izay tafajanona teny ampitan'ny farihy fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ny anankiray ihany; ary tsikaritr'izy ireo koa fa i Jesoa dia tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha.
23 Kanefa nisy sambokely hafa maro avy any Tiberiada tonga teo akaikin'ilay toerana nihinanan'izy ireo ny mofo, fony avy nisaotra an'Andriamanitra ny Tompo.
24 Koa ny vahoaka, rehefa nahita fa tsy teo na i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin'ireo sambokely ireo ka nankany Kafarnahoma hitady an'i Jesoa.
25 Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe: Mpampianatra o, oviana no tonga teto Ianao?
26 Dia novalian'i Jesoa hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky.
27 Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matana ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.
28 Dia hoy ireo tamin'i Jesoa: Inona ary no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra?
29 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny!
30 Fa hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao?
31 Ireo razantsika dia nihinana ny mana tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!
32 Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra;
33 satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao!
34 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Jesoa: Tompo o, omeo anay mandrakariva izany mofo izany!
35 Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no mofo manome ny aina! Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony;
36 saingy voalazako taminareo fa efa mahita Ahy ianareo, nefa tsy mino.
37 Izay rehetra omen'ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,
38 satria nidina avy tany an-danitra Aho tsy hoe hanao ny sitrapoko fa hanao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy.
39 Izao no sitrapon'Ilay naniraka Ahy: dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny hananganako azy ho velona amin'ny andro farany.
40 Eny, izao no sitrapon'ny Raiko: dia ny hahavelona aina mandrakizay ny olona rehetra mibanjina sy mino ny Zanaka; ary Izaho dia hanangana azy ho velona amin'ny andro farany.
41 Dia nimonomonona tamin'i Jesoa ny Jiosy, noho Izy niteny hoe: Izaho no mofo nidina avy tany an-danitra!
42 Ka hoy ry zareo taminy: Tsy ilay io ve no i Jesoa, zanak'i Josefa? Fantatsika ny ray aman-dreniny, koa ahoana ary no anaovany hoe: Nidina avy tany an-danitra Aho?
43 Dia novalian'i Jesoa hoe: Aoka izay ny monomonona!
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany.
45 Fa izao no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny bokin'ny mpaminany: Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra! Koa izay rehetra nandre sy nianatra tamin'ny Ray no manatona Ahy.
46 Tsy hoe nisy nahita ny Ray, afa-tsy Ilay avy amin'Andriamanitra: izy no nahita ny Ray.
47 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay.
48 Izaho no mofo manome ny aina.
49 Ireo razanareo nihinana ny mana tany an-taniefitra, nefa maty ihany;
50 ity kosa ny mofo midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.