Jôhany

Toko faha-5

1 Taorian'izany, dia nisy fankalazana nataon'ny Jiosy ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.

2 Ary tao Jerosalema teo akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia nisy dobo anankiray atao hoe Betesda amin'ny teny hebreo. Lala-mitafo dimy no manamorona ilay dobo,

3 ary marobe ny marary nandry tamin'ireo lala-mitafo ireo: dia ny jamba, ny mandringa, ny maty ila. [Niandry ny fihetsehan'ny rano izy rehetra,

4 fa nisy anjelin'ny Tompo nidina tao anatin'ny dobo indraindray ary nampihetsika ny rano; ka izay marary niroboka voalohany, rehefa mihetsika ny rano, dia sitrana tamin'ny aretiny na inona na inona nanjo azy].

5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay narary hatramin'ny 38 taona.

6 Hitan'i Jesoa nandry teo ralehilahy io sady fantany tsara fa hatramin'ny ela izy no efa toy izany, ka nilazany hoe: Te ho sitrana ve ianao?

7 Dia novalian'ilay marary hoe: Tsy mba manana olona handroboka ahy ao anatin'ny dobo aho, Tompoko, rehefa voahetsika ny rano; ka nony mandeha aho, dia olon-kafa no tafidina alohako.

8 Dia hoy i Jesoa taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao ka mandehana!

9 Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nitondra ny fandriany ary nandeha. Sabata anefa tamin'io andro io.

10 Koa izao no tenin'ireo manampahefana jiosy tamin-dralehilahy vao sitrana: Sabata ny andro, ka tsy azonao atao ny mitondra ny fandrianao.

11 Fa novaliany hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana!

12 Dia hoy ry zareo nanontany azy: Iza moa ilay olona nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana?

13 Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, satria niala teo i Jesoa noho ny vahoaka vory tamin'io toerana io.

14 Taorian'izany, dia hitan'i Jesoa teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy ka nilazany hoe: Indro efa sitrana ianao; ka aza manota intsony, fandrao zavatra ratsy kokoa noho ny teo no hanjo anao!

15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ireo manampahefana jiosy fa i Jesoa no nahasitrana azy.

16 Noho i Jesoa nanao izany tamin'ny andro sabata, dia nanenjika Azy ny manampahefana jiosy.

17 Fa hoy i Jesoa tamin'ireo: Ny Raiko dia miasa tsy an-kiato ary Izaho koa miasa.

18 Noho izany teny izany dia vao mainka nitady hamono Azy ny manampahefana jiosy; satria tsy vitan'ny hoe nandika ny fepetra momba ny sabata fotsiny i Jesoa, fa nilaza koa hoe Andriamanitra no Rainy, ka dia nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra. Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin'ny manampahefana jiosy hoe:

19 Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny Zanaka dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenany: izay hitany ataon'ny Ray no ataony, satria na inona na inona ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka.

20 Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon'Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo.

21 Ny Ray dia mampitsangana ireo maty sy mamelona aina azy: toy izany koa, ny Zanaka dia mamelona aina ireo tiany hovelomina aina.

22 Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no efa nomeny fahefana feno hitsara,

23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan'ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.

24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin'ny fahafatesana mba ho velona aina.

25 Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan'ny maty ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona.

26 Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina.

27 Ary nomen'ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.

28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny fotoana handrenesan'ireo rehetra any am-pasana ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra;

29 ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

30 Raha Izaho dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenako. Araka izay reko amin'ny Ray no itsarako; ka ara-drariny ny fitsarako, satria tsy ny sitrapoko no tadiaviko hatao fa ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy.

31 Raha Izaho ihany no vavolombelona manambara ny tenako, dia tsy azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona;

32 fa misy hafa izay mijoro ho vavolombelona momba Ahy, ary fantatro fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona momba Ahy.

33 Nandefa iraka tany amin'i Johany ianareo, ary nijoro ho vavolombelona nanambara ny marina i Johany.

34 Tsy dia ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'olona anefa no ianteherako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no ilazako izany.

35 I Johany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany.

36 Raha Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona manoatra ny an'i Johany, satria ireo asa nomen'ny Raiko hotontosaiko sady ataoko tokoa no vavolombelona momba Ahy sady manambara fa nirahin'ny Ray Aho:

37 ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo,

38 sady tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.

39 Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ao no heverinareo hahavelona aina mandrakizay; ireo Soratra Masina ireo indrindra no mijoro ho vavolombelona manambara Ahy,

40 kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hahavelona aina anareo.

41 Tsy hoe voninahitra avy amin'olombelona no tadiaviko;

42 saingy fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatinareo.

43 Raha Izaho dia tamin'ny anaran'ny Raiko no nahatongavako, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa ka tamin'ny anaran'ny tenany no nahatongavany, dia horaisinareo.

44 Aminareo samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy amin'Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no fino?

45 Aza heverinareo fa Izaho no hiampanga anareo eo anatrehan'ny Ray; ao ny hiampanga anareo, dia i Mosesy izay nitokianareo!

46 Eny, raha mba mino an'i Mosesy ianareo, dia ho nino Ahy koa, satria nanoratra nanambara Ahy izy.

47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0606