Jôhany

Toko faha-14

1 Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an'Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa.

2 Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo?

3 Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa.

4 Ary fantatrareo ny lalana ho any amin'izay alehako.

5 Dia hoy i Toma taminy: Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?

6 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako.

7 Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.

8 I Filipo kosa nanao taminy hoe: Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9 Fa hoy i Jesoa taminy: Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany.

11 Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny.

12 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho.

13 Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka.

14 Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko.

16 Izaho koa hangataka amin'ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay.

17 Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.

18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina aty aminareo.

19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo.

20 Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.

21 Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin'ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

22 Fa i Jodasy, (tsy ilay Iskariota), nanao tamin'i Jesoa hoe: Nahoana, ry Tompo, no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?

23 Dia novaliany hoe: Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao.

24 Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray Izay naniraka Ahy.

25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.

26 Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo.

28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly amin'izao andehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray.

29 Niteny taminareo sahady Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany.

30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, satria tonga ilay filohan'izao tontolo izao: tsy manam-pahefana amiko velively izy,

31 saingy tonga izy mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy no ataoko. Mitsangana, ndeha isika hiala eto!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567