Jôba

Toko faha-8

1 Dia nandray fitenenana i Bildada avy any Soha ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Hafiriana no mbola hitenenanao toy izany? Ary mandra-pahoviana ny teny aloaky ny vavanao no hisafotofoto tahaka ny rivo-mahery?

3 Moa hampandefitra ny rariny ve Andriamanitra? Moa hamadika ny fahamarinana ve ilay Tsitoha?

4 Mety ho nanota tamin'Andriamanitra ny zanakao, dia nampanodiaviny azy ny heloka vitany.

5 Raha ianao kosa no mitady an'Andriamanitra ka manao fitalahoana amin'ilay Tsitoha,

6 ary raha tsy manan-tsiny sy mahitsy ianao, dia Izy no hijoro hiahy anao ka hamerina indray ny fiadanana amin'ilay fonenam-pahamarinanao.

7 Ary ho bitika ihany izay nosantarinao taloha raha mitaha amin'ny ho avinao mamirapiratra.

8 Fa mba anontanio ange ny ntaolo e! Ka ianaro izay traikefan'ireo razany.

9 Tsy misy zava-pantatsika izay vao omaly, satria aloka mihelina vetivety ihany ny androm-piainantsika eto an-tany.

10 Ry zareo no hanoro sy hampianatra anao, ary dia hamoaka ny oha-pitenenana izay vokatry ny fieritreretany toy ny hoe:

11 "Tsy maniry ivelan'ny heniheny ny zozoro, ary tsy mitombo tsy misy rano ny volotara.

12 Vao mamelana fotsiny izy, ary mbola tsy voatapaka; saingy rehefa tsy mahazo rano intsony izy, dia malazo alohan'ny ahitra hafa rehetra."

13 Izay rehetra manadino an'Andriamanitra dia toy izany no anjara miandry azy; ho levona ny fanantenan'ny tsy mpivavaka.

14 Fa ho maito ny fahatokian-tenany; ary ho marefo tahaka ny tranon-kala ny fianteherany.

15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo mihilangilana izany; mamikitra mafy hitazonana azy izy, nefa mirodana tsy voatana izany.

16 Ny tsy mpivavaka dia tahaka ny hazo izay feno tsiron-tany sady hazavain'ny masoandro ka ny rantsany misandrahaka eo ambonin'ny tanimboly misy azy.

17 Mifanolanolana eny amin'ny korontam-bato ny fakany ka tanteraka hatrany an-tsefatsefa-bato any.

18 Rehefa ongotana amin'ny toerany anefa izy, dia handa ho tsy mbola nahita azy akory io.

19 Jereo fa izany no fifaliana miandry ny tsy mpivavaka; ary hisy zava-maniry hafa indray hitrebona avy amin'io tany io.

20 Jereo kosa fa Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny ary tsy manome tanana ny mpanao ratsy.

21 Mbola ho fenoiny hehy ny vavanao ary ho rakora-pifaliana ny molotrao, ry Joba.

22 Fa ho afa-baraka ireo mpankahala anao; ary hanjavona ny fonenan'ny olon-dratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0553