Jôba

Toko faha-7

1 Mafy tahaka ny asa fanompoana ny fiainan'ny olombelona eto an-tany; ary toy ny andron'ny mpikarama no mahamazana ny androny.

2 Toy ny mpanompo mba maniry alokaloka izy na tahaka ny mpikarama miandry ny karamany.

3 Toy izany koa no nanjo ahy: am-bolana maro nahitam-pahoriana ary alina nifandimby nizakam-pijaliana.

4 Raha vao mandry aho, dia manao anakampo hoe: "Rahoviana aho no hifoha? "Fa tsy mety tapitra ny alina, ary mivadibadika aho mandra-maraina.

5 Olitra sy hatina mifangaro vovoka no mandrakotra ny tenako manontolo; miempaka sady mandeha nana ny hoditro.

6 Mandalo sy lany tsy misy fanantenana ny androko, eny, mandalo faingana noho ny famahanan-tenona.

7 Mba tsarovy, Andriamanitra o, fa tsio-drivotra miserana ny aiko; tsy hahita fahasambarana intsony ny masoko.

8 Ny masonao izay nijery ahy dia tsy hahita ahy intsony; rehefa hizaha ahy ianao, dia tsy ho eo intsony aho.

9 Ny rahona, rehefa misava, dia levona: toy izany koa izay midina any an-toeran'ny maty dia tsy mba hiakatra avy any intsony.

10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

11 Koa tsy hamehy vava hangina intsony aho, fa misefosefo mafy ka tsy maintsy hiteny ary tezitra anaty ka voatery hitaraina.

12 Moa ve Ranomasimbe aho sa Dragon-dranomasina no dia ataonao tsara ambina, Andriamanitra o?

13 Raha ilay mandry eo am-parafara iny aho ka mba manantena hahita fitoniana sy fampiononana,

14 dia tonga Ianao mampitahotra ahy amin'ny nofiratsy, ary mampihorohoro ahy amin'ny fahitana.

15 Ka dia aleoko kendainao ho faty toy izay mitofezaka misarin-karana.

16 Tsy tantiko intsony, fa tsy ho velona ela aho. Zava-poana ihany ny androm-piainako! Koa avelao hilamina amin'izao aho.

17 Inona moa ny olona no dia omenao lanja lehibe ka andrianin'ny fonao aoka izany ?

18 Tonga mitsidika azy isa-maraina Ianao sady mizaha toetra azy tsy an-kiato.

19 Rahoviana no hitsahatra ny fijerenao ahy mba hamelanao ahy vetivety hitelin-drora?

20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpiambina ny olombelona o? Nahoana no dia nataonao lasibatra aho? Efa tonga enta-mavesatra ho Anao ve aho?

21 Nahoana no tsy avelanao ny fahadisoako ary tsy esorinao ny heloka vitako? Fa indro efa ho faty aho ka handry eo amin'ny vovoka; ary hitady ahy fatratra Ianao saingy efa tsy izy intsony aho amin'izay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554