Jôba
Toko faha-42
1 Namaly ny TOMPO i Joba ka nanao hoe:2 Fantatro fa mahay ny zava-drehetra Ianao, ary tsy misy maharara izay tianao hatao.
3 Hoy Ianao tamiko: "Zovy moa ianao no sahy manivaiva ny fikasako amin'ireo teny foana tsisy dikany ? "Eny, zava-tsy takatry ny saiko no voateniko dia zava-mahagaga loatra amiko sady tsy fantatro!
4 Henoy, hoy Ianao, fa mbola hiteny Aho; hanontany anao Aho ka ho valianao.
5 Tsy nahafantatra ny aminao aho afa-tsy izay henoko momba Anao ihany. Kanefa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no nahita Anao.
6 Izany no anatsoahako izay voambarako, sy iekeko hadisoana ary ietreko tena eto amin'ny vovoka sy ny lavenona.
7 Rehefa voalazan'ny TOMPO tamin'i Joba ireo teny ireo, dia i Elifaza avy any Temana no nataotaony hoe: -Tezitra aminao sy ny namanao roa lahy Aho satria tsy mba marina tahaka izay nolazain'i Joba mpanompoko ny filazanareo Ahy.
8 Koa ankehitriny maka ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin'ny Joba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Joba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak'i Joba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalanareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain'i Joba mpanompoko aza ny filazanareo Ahy.
9 Dia nandeha i Elifaza avy any Temana sy i Bildada avy any Soha ary i Tsofara avy any Nahama ka nanao izay nasain'ny TOMPO hataony; ary sitraky ny TOMPO ny vavak'i Joba.
10 Rehefa avy nivavaka ho an'ireo namany i Joba, dia naverin'ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan'izay rehetra nananany fahiny aza.
11 Dia tonga namangy an'i Joba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin'ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan'ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.
12 Nandritra ny taona sisa niainan'i Joba, dia heniky ny fitahian'ny TOMPO mihoatra noho ny taloha izy, fa nanana ondry 14000, rameva enina arivo, omby miasa roa arivo ary borikivavy arivo izy.
13 Nanan-janaka lahy fito ary zanaka vavy telo koa izy,
14 ka ny vavimatoa nataony hoe Jemima, ny vaviaivo Ketsiha ary ny faravavy Kerena-Hapoka.
15 Tao amin'ny tany iray manontolo dia tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Joba. Ary samy nomen-drainy ny anjara lovany tahaka ireo anadahiny avy izy.
16 Taorian'izany dia mbola velona 140taona i Joba ka nahita ireo zanany sy zafikeliny hatramin'ny zafindohaliny.
17 Dia maty i Joba rehefa ela niainana ka tratrantitra.