Jôba
Toko faha-41
1 Nofinofy ny fanantenana handresy ny voay, fa ny fahitana azy fotsiny dia mahaketraka.2 Tsy misy olona sahy mihantsy ady aminy, koa zovy kosa no sahy hifanandrina amiko?
3 Fa tsy ananan'olon-trosa Aho: Ahy izay rehetra eny ambany masoandro.
4 Kanefa mbola ho lazalazaiko izao ny amin'ny rantsam-batan'ny voay sy ny antsipirian'ireo asa mahery vitany ary ny hatsaran'ny endrika ananany.
5 Iza no mahainga ny fitafiany ivelany, na handoaka ny akanjo vy matevina ifonosany?
6 Iza koa no sahy hanokatra ny vavany, fa ireo nifiny dia mampihorohoro izay olona eny manodidina?
7 Ny lamosiny dia voasaron'ampinga milahatra sady tafatambatra mafy sy mifanety.
8 Mifanakaiky dia mifanakaiky ireo ka tsisy hirika idiran-drivotra akory.
9 Mifanindry sy mifamikitra koa ireo ka tsy azo sarahina mihitsy.
10 Vao mievina ny voay, dia mamoaka hazavana; ka ny masony manjary manjopiaka toy ny masoandro vao miposaka.
11 Ny vavany kosa ivoahan'ny lelafo sy ipariahan'ny kilalaon'afo.
12 Mivoa-tsetroka ny vavoron'ny voay moa va tsy vilany mangotraka no tanehina tamin-jozoro.
13 Mampirehitra arina ny fofonainy, satria lelafo no avoaky ny vavany.
14 Ny vozony no itoeran-kery ka mihorohoro izay mahita azy.
15 Mivalombalona ireo hotraky ny voay, ka mafy sady mihenjana tsy voalefitra.
16 Mafy tahaka ny vato ny fony, eny, mafy toy ny vato fikosoham-bary.
17 Rehefa mitsangana ny voay, dia mangovitra ireo filoha fa tsy afa-manoatra noho ny tahotra.
18 Tsy misy sabatra mahalaitra azy, toy izany koa ny lefompohy na ny firombaka na ny zana-tsipika.
19 Toy ny mololo ny vy aminy ary toy ny hazo boboka ny varahina.
20 Tsy mampandositra azy izay zana-tsipika, ataony toy ny mololo ny vaton'antsamotady
21 Toy ny vodivary ny langilangy aminy; ihomehezany ny firimorimon'ny lefona.
22 Feno fantsika miranirany ny takiban'ny voay ka mikisaka moa va tsy hersa manditra fotaka.
23 Rehefa misitrika anaty rano lalina izy, dia mampandroadroatra izany toa rano mangotraka ao am-bilany ary manova ny farihy ho fandoroan-java-manitra.
24 Mamela dindo mazava eo aoriany izy ka ny onja dia tahaka ny volofotsy mitsinkafona eny amin'ny rano lalina.
25 Tsy misy tahaka ny voay eny ambonin'ny tany fa noariko tsy hanan-tahotra izy.
26 Bandrininy avokoa ny biby goavana; izy no mpanjakan'ny biby masiaka rehetra.