Jôba

Toko faha-40

1 Dia nanontany an'i Joba ny Tompo ka nanao hoe:

2 Izaho Andriamanitra Tsitoha no niadianao sy nifandiranao, ry Joba. Raha mbola hitsikera Ahy ianao, dia valio izay rehetra voalazako izay?

3 Fa namaly ny TOMPO i Joba ka nanao hoe:

4 Tsinontsinona aho ka tsy manan-kavaly Anao. Hitampim-bava no ataoko izao.

5 Efa sahy niteny matetika aho, ka tsy hamaly intsony, fa aoka izay.

6 Avy ao anaty tafio-drivotra ny Tompo no namaly an'i Joba ka nanao hoe:

7 Misikina ary ho tena lehilahy, fa hanontany anao Aho ka valio.

8 Sahinao lavina tokoa ve ny fitsarako ka Izaho no diso fa ianao no marina?

9 Manan-kery tahaka Ahy ve ianao na mitalakotro-peo tahaka Ahy?

10 Koa miravaha voninahitra sy fahalehibeazana ary mitafia famirapiratana sy fiandrianana.

11 Fijery mitsipalotra no amafazo ny fahatezeranao misamboaravoara, dia ampietreo ny mpiavonavona rehetra.

12 Eny, fijery mitsipalotra no anongany an'ireo mpiavonavona rehetra; ary eo amin'ny toerany eo ihany no ataovy montsana ny olon-dratsy.

13 Asitriho ao amin'ny tany miaraka izy rehetra ary hidio ao amin'ny tranomaizim-pahafatesana.

14 Fa Izaho mihitsy no hiarahaba anao, satria ny herinao no nampandresy anao.

15 Jereo ange ny lalomena fa samy noariko na izy na ianao! Mihinana ahitra tahaka ny omby izy;

16 kanefa jereo ity hery ananany eo an-tehezany ary koa ity tanjany eo amin'ny hoza-kibony.

17 Henjaniny toa hazo sedera ny rambony; mifaniditra eo amin'ny feny kosa ny hozabe.

18 Ny taolany dia mafy toa fantsom-barahina ary ny taolan-tehezany dia miendrika baravy.

19 Anisan'ny sangan'asako izy, ka Izaho Andriamanitra nanao azy no nanome sabatra azy.

20 Mamoka-bilona ho an'ny lalomena ireo havoana izay filalaovan'ny bibidia rehetra.

21 Mandry anaty kirihitra feno tsilo izy ary miafina anaty zozoro eny an-keniheny.

22 Manalokaloka azy ny kirihitra ary manarona azy ny hazo malahelo eny amoron'ny ranon-driaka eny.

23 Fa na dia misafoaka aza ny onjan-drano dia tsy mba mihetsika akory ny lalomena; tsy mampiraika azy akory i Jordana na dia mitroatra hatreny am-bavany aza.

24 Fa iza moa no hahasambotra azy ka hanapotsitra ny masony? Iza moa no hahavoa fandrika azy ka hahaketoka ny orony?

25 Mahajono ny voay amin'ny fintana va ianao na mahafatotra ny lelany amin'ny tadim-pintana?

26 Mahatsofoka harefo amin'ny orony va ianao na mahagorobaka ny valanoranony amim-parango?

27 Hifon-jato hifona arivo aminao va izy na hanambitamby anao amin'ny teny mamy?

28 Hanao fifanekena aminao ve izy ka ho azonao andevozina mandra-pahafatiny?

29 Hilalao azy toy ny filalao voronkely ve ianao ka hamatotra azy ho fialambolin'ny zanakavavinao?

30 Hikambana hivarotra ny voay ve ny mpanjono ka hitsinjara azy amin'ny mpivarotra?

31 Mahaloadoaka ny hodiny amin'ny tsilo ve ianao na mahatrobaka ny lohany amin'ny firombaka?

32 Fa kasiho tanana ange izy dia ho tsaroanao ny ady taminy ary tsy hanindroa intsony ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551