Jôba
Toko faha-4
1 Dia nandray fitenenana i Elifaza avy any Temana ka nanao tamin'i Joba hoe:2 Tsy misy sahy miteny aminao, satria sorena mafy ianao ; nefa tsy azo atao ny hangina ela intsony.
3 Indro efa nanabe olona maro ianao ary nampahery ireo niraviravy tanana.
4 Ny teninao no nampitraka ireo efa saiky lavo; efa nampatanjaka lohalika mangozohozo ianao.
5 Ankehitriny, tojo izany ianao ka kivy, mby an-koditrao ka mahaketraka anao!
6 Satria nanaja an'Andriamanitra ianao sy nanana fitondrantena mendrika, ka moa tsy hatoky sy hanantena va?
7 Tsarovy izao: efa nahita tsy manan-tsiny na olo-marina maty nahantra ve ianao?
8 Hitako tsara fa izay mamboly tsy fahamarinana sy mamafy fahoriana no hijinja ny vokany.
9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy; ny fahatezerany no toa rivo-mahery mahalevona azy;
10 na mierona toa liona izy na minaonaona toa tigra, dia tapatapahiny nify ireo toa biby masiaka ireo.
11 Lany remby ny bibidia ka maty; ary ny zanaky ny liom-bavy kosa miparitaka.
12 Nisy teny izay tonga tamiko mangingina; ary bitsika malefaka no reko taminy.
13 Noho ny eritreritra misafotofoto vokatry ny nofy amin'ny alina raha sondrian-tory ny olona ,
14 dia nangovitry ny tahotra aho ka nipararetra ny taolako rehetra.
15 Ary nisy rivotra nisafo ny tavako ka nampihoron-koditra ny tenako.
16 Nisy endrik'olona mitsangana nefa tsy fantatro, fa manjavozavo izy no teo anoloan'ny masoko. Dia nangina aloha, vao nisy niteny hoe:
17 "Ho marina sy ho madio ve ny olona eo anatrehan'Andriamanitra Mpahary azy?
18 Indreo ny mpanompony aza tsy atokiany, ary ny anjeliny mbola ahitany tsininy;
19 koa mainka fa izay olombelona mora potika toa tanimanga, sady vovo-tany no fiaviany ka mety voaporitra tahaka ny fositra!
20 Indray andro monja no hahamontsana sy hahalevona azy mandrakizay; ka tsy hisy hahatandrintandrina akory.
21 Tsy efa tapaka va ny kofehin-dainy? Ho faty tsy manam-pahendrena izy."