Jôba
Toko faha-39
1 Fantatrao ve ny fotoana fiterahan'ny osidia? voadinikao ve ny diera vavy raha miteraka?2 Firy volana no itondrany vohoka raha voaisanao, ary fantatrao ve ny fotoana fiterahany?
3 Mitorovoka izy mandatsaka ny zanany sady mampisinda ny fanaintainany.
4 Any an-kodahoda any ireo zanany ireo no mihamatanjaka sy mihalehibe ka lasa tsy miverina intsony.
5 Iza no nandefa ny borikidia hikarenjy? Zovy no namaha fatorana azy handeha?
6 Fa efa nomeko ho fitoerany ny tany hay, ary ho fonenany kosa ny tanin-tsira.
7 Tsy raharahainy ny tabataba ao an-tanana ary tsy mba reny na oviana na oviana ny fitrerotreron'olona mpampiasa.
8 Ny tendrombohitra fitetiny no fihinanany, ka rehefa ahi-maitso dia katsahiny avokoa.
9 Hanaiky hanompo anao ve ny ombimanga ka handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
10 Voafolakao hiasa ny sahanao ve izy sy hitarika hersa eny an-dohasaha?
11 Hatoky azy noho ny tanjany ve ianao ka hamela ny asanao ho vitainy?
12 Hiantehitra aminy hampiditra ny vokatrao sy hanangona izany am-pamoloana ve ianao?
13 Faly mikopakopaka elatra ny vorombe; kanefa tsy mampalemy fanahy azy toy ny vanona ny elany na ny volo malefaka ananany.
14 Fa raha mandao ny atodiny amin'ny tany izy ka mamela azy ho kotrehin'ny fasika mafana,
15 dia tsy ahiny mety hisy mpanitsaka ireo na mety ho voahosihosin'ny bibidia.
16 Reny mafy fo amin-janaka ny vorombe, fa ataony hoatra ny tsy azy akory ireo; na dia very maina izay nisasarany, dia tsy mampaninona azy mihitsy izany.
17 Fa tsy mba nataoko manam-pahendrena izy ary tsy mba nomeko anjara fahaizana.
18 Kanefa raha vao mitraka sy miainga hihazakazaka izy, dia tsy mahomby azy ny soavaly sy ny mpitaingina.
19 Ianao ve no mampahatanjaka ny soavaly na manafy vombo mihofahofa ny vozony
20 na mampifalihavanja azy toa valala? Mampihorohoro ny fihiakany sahisahy!
21 Mihehy tany ao an-dohasaha izy ary mientan-kafaliana asesiky ny heriny ka mitroatra hisedra fiadiana.
22 Tsy mampiraika azy ny tahotra ka tsy mivadi-po izy ary tsy ny sabatra no hampihemotra azy.
23 Mikorintsana eo an-damosiny ny tranon-jana-tsipika; manjelanjelatra kosa ny lefona sy ny sabatra.
24 Mihoalahoalam-pahavinirana izy ka lasa miriotra sady tsy tana rehefa maneno ny anjomara.
25 Mihiaka izy raha vao mahare ny anjomara, ary eny lavitra eny no anamboloany ny ady sy ny treron'ny manamboninahitra ary ny akoran'ady.
26 Fahaizanao ve no mampanidina ny papango rehefa mamelatra ny elany hianatsimo izy?
27 Baikonao ve no iakaran'ny voromahery sy anaovany akany eny an-tendrombohitra?
28 Ny haram-bato no onenany sy itoerany dia ny tendrony maranitra tsy hay anihina.
29 Avy eny no itiliany ny remby fa mahatazan-davitra ny masony.
30 Mitsentsi-dra aoka izany ireo zanany; ka na aiza na aiza itoeran'ny faty, dia ifamotoanan'ny voromahery.