Jôba
Toko faha-38
1 Avy ao anaty tafio-drivotra ny TOMPO no namaly an'i Joba ka nanao hoe:2 Zovy moa ianao no sahy maneso ny fikasako amin'ireo teny foana tsisy dikany?
3 Misikina ary ho tena lehilahy, fa hanontany anao Aho ka ho valianao.
4 Taiza moa ianao fony Aho nanorina ny tany? ambarao Ahy raha manam-pahalalana tokoa ianao.
5 Iza no nametra ny refiny raha hainao? Ary iza no nanenjana izay andrefesana azy?
6 Amin'inona no ipetrahan'ny andry mitondra azy? Ary zovy no nametraka ny vato fehizorony,
7 raha niara-nihira ny kintan'ny maraina ary nihoby avokoa ireo anjelin'Andriamanitra?
8 Iza no nanidy varavarana tsy hihoaran'ny ranomasina, raha nifantsitsitra nivoaka avy tamin'ny lalina izy?
9 Dia nampitafiako rahona ny ranomasina ary nofonosiko zavona matevina.
10 Namoaka didy aho hamerako ny fitroarany ary nanisy varavarana mihidy teo anoloany
11 sady niteny taminy hoe: "Hatreto ihany fa tsy mahazo mihoatra; eto no hifarana ny fisafoaky ny onjanao !"
12 Indray maka teo amin'ny androm-piainanao mba efa nibaiko ny hisian'ny maraina ve ianao? Efa notondroinao toerana ve ny mazava atsinanana
13 mba handraisany ny tany amin'ny sisiny ka hakopany hihintsanan'ny olon-dratsy ?
14 Koa amin'izay ny tany dia hiseho endrika tahaka ny tanimanga voatombokase , ary miloko tahaka ny lamba misoratsoratra.
15 Nefa ho esorina amin'ny olon-dratsy ny fahazavany ary ho tapahina izay sandry miainga hamely olona.
16 Efa tonga tany an-doharanon-dranomasina ve ianao na efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
17 Efa naseho anao ve ny vavahadin'ny fahafatesana, ka nahazoanao nahita ny fidirana mankao amin'ny sehatra maizin'ny fahafatesana?
18 Efa voadinikao ve ny fidadasiky ny velaran-tany? Valio aho raha toa hainao izany rehetra izany.
19 Aiza ary no lalana mankany amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza koa no toerana misy ny haizina,
20 mba hitondranao azy any amin'ny fari-ponenany ka hahafantaranao ny sakeli-dalana ho any an-tranony?
21 Tokony ho fantatrao tsara izany satria efa teraka ianao tamin'izay ary marobe ny isan'ny androm-piainanao!
22 Efa notsidihinao ve ny fitehirizana ny orampanala ary efa hitanao ve ny fanangonana ny havandra,
23 fa voatahiriko ho amin'ny androm-pahoriana ireo, dia ny andro ifamelezana sy iadiana.
24 Aiza moa ny lalana ipariahan'ny fahazavana, ary ny toerana iaingan'ny rivotra avy atsinanana mba hielezany ety ambonin'ny tany?
25 Iza no nihady lalan-drano hikorianan'ny oram-be sy nanoritra ny lalan'ny varatra mikotrokotroka?
26 Iza no nampisy orana amin'ny tany foana, sy amin'ny taniefitra tsy misy olona,
27 mba hahavonto rano ny tany karankaina ka hampaniry ny ahi-maitso vao mitsimoka?
28 Manan-dray ve ny ranonorana? Ary iza no niteraka ny ranonando mitete?
29 Kibon'iza no nivoahan'ny ranomandry ary iza no niteraka ny fanalan'ny lanitra,
30 ka mahatonga ny rano hihamafy toy ny vatoary mahatonga ny velaran-dranomasina handry?
31 Moa ve ianao mahafatotra mitambatra ny vondron-kintana Ikoto kely miadilaona, na mahavaha ireo tady mamehy ny vondron-kintana Telonohorefy,
32 na mampitranga ny andian-kintana ara-potoana, na koa mahatarika ny vondron-kintana Orsa lehibe mbamin'ny vondron-kintana zanany Orsa kely ?
33 Mahalala ireo lalana mifehy ny lanitra ve ianao ary mandrindra ny fiantraikany amin'ny tany?
34 Ampy hampitosaka ny rano be aminao ve ny fanandratanao baiko amin'ny rahona?
35 Ianao ve no mahay mandefa ny tselatra ka hilazany aminao hoe: "Indreto izahay"?
36 Iza no milaza amin'ny vorona ibisy fa hiakatra ny ony Neily? Iza no mampahalala ny akoholahy fa ho avy ny orana ?
37 Iza no manam-pahaizana maha isa ny rahona? Iza no mampitotongana ireo siniben-drano any an-danitra, hampitosaka ranonorana mivatravatra
38 ka hanambatra ny vovo-tany ho tonga fotaka ary hampiraikidraikitra ny bainga vonton-drano?
39 Ianao va no mihaza remby ho an'ny liom-bavy na mahavoky ny zana-diona noana,
40 raha mamitsaka ao an-davany izy na manotrika anaty kirihitra?
41 Iza no mikarakara ny hanin'ny goaika raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?