Jôba

Toko faha-37

1 Mipararetra ny foko eo am-pahitana izany, ka mitepotepo mila hiala amin'ny toerany.

2 Henoy, henoy ny fidoboky ny feon'Andriamanitra ary ny firohondrohona avoaky ny vavany.

3 Mamakivaky ny lanitra manontolo ny tselany ka tonga hatrany am-paran'ny tany.

4 Aorian'izany dia reny feon'Andriamanitra mirohondrohona amin-kery lehibe; koa mandritra ny andrenesana izany feony izany, dia avelany hipariaka ny tselatra.

5 Mirohondrohona ny feon'Andriamanitra ka mahatalanjona fatratra, satria tsy takatry ny saintsika ireo zavatra goavana vitany.

6 Fa ny rano mandry baikoiny hoe: "Milatsaha amin'ny tany". Izany koa no ataony amin'ny orana, dia amin'ny oram-be mivatravatra.

7 Aatony ny asan'ny olona tsirairay avy mba hieken'ny olombelona rehetra ny zavatra vitan'Andriamanitra.

8 Ary na ny biby aza dia miditra ao am-ponenany ka mamitsaka ao amin'ny toeram-piereny.

9 Tonga avy any atsimo ny rivo-doza ary avy any avaratra ny hatsiaka.

10 Ny fofonain'Andriamanitra no mampisy ny ranomandry ka mampivaingana ny velaran-drano.

11 Dia vesarany etona mando ny raho-matevina ka aeliny etsy sy eroa omban-tselatra.

12 Andriamanitra no mampihodinkodina azy mba hahatanteraka, araka ny fikasany, izay rehetra nandidiany azy eran'izao tontolo izao.

13 Izany no ataon'Andriamanitra mitrangana hamaizana ny tany, na hanambinana azy.

14 Anongilano sofina izao lazaiko izao, ry Joba. Miatoa kely aloha ka diniho ny zava-mahagaga ataon'Andriamanitra.

15 Fantatrao ve ny fibaikoan'Andriamanitra ireny sy ny mahatonga ny tselatra eny amin'ny rahona?

16 Fantatrao koa ve ny mampihevaheva ny raho-matevina? Ny manao ireny zava-mahagaga ireny dia Ilay tanteraka amin'ny fahalalana;

17 Ianao kosa dia mafana loatra anaty fitafianao, rehefa vesaran'ny andro migaingaina ny tany noho ny rivotra manempotra avy any atsimo.

18 Afaka nanampy an'Andriamanitra ve ianao, fony Izy nanefy ny habakabaka sy nahamafy izany toa fitara-by?

19 Mba ampianaro anay ireto ary, ry Joba, izay ho lazainay amin'Andriamanitra. Fa tsy hitanay izay ho tenenina noho ny haizin'ny tsy fahalalanay.

20 Tsy hangataka ny hiteny aminy aho; sa maniry ny hataony levona ve ny tenako?

21 Tampotampoka teo dia tsy hita ny fahazavana fa voatakon-drahona ny masoandro. Avy eo dia nisy rivotra nitsoka sy nampisava izany rahona izany.

22 Tara-bolamena no nipoitra avy any avaratra, ary famirapiratana mahatahotra no indro manodidina an'Andriamanitra.

23 Izy no ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina, sady lehibe amin'ny hery ananany; fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy ka tsy mba mampahory ny olona.

24 Koa izany no tokony hanajana an'Andriamanitra; fa tsy jereny kosa izay mihambo ho hendry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0572