Jôba
Toko faha-35
1 Dia nanohy ny teniny i Eliho ka nanao hoe:2 -Moa heverinao ho rariny ve ny filazanao hoe: "Marina eo anoloan'Andriamanitra aho",
3 na ny fanontanianao hoe: "Mampaninona Anao moa izany? Inona no tombontsoako raha tsy manota aho?"
4 Izaho no hiteny hamaly anareo miaraka, dia ny tenanao mbamin'ireto namanao.
5 Andrandrao ny lanitra ka diniho; jereo ny rahona fa manerinerina amboninao!
6 Raha manota ianao, hahakasika azy va izany? Ary mampaninona azy moa ny fikomianao maro?
7 Raha manao ny marina ianao, hitondra inona aminy moa izany, na inona no ho raisiny avy aminao?
8 Fa na ny tsara vitanao na ny ratsy nataonao, dia ny olona toa anao ihany no iharany.
9 Rehefa mafy loatra ny famoretana, dia mitaraina ny olona; ka miantso vonjy izy hiaro azy amin'ny famelezan'ireo mahery.
10 Nefa tsy mba misy ma nao hoe: "Aiza Andriamanitra Mpanao ahy sady mampihira fankalazana Azy amin'ny alinao ?
11 Aiza Andriamanitra Izay mampianatra antsika amin'ny alalan'ireo biby ambonin'ny tany ary koa mampahahendry antsika amin'ny alalan'ireo voromanidina?"
12 Miantso vonjy ny olona ampahorina fa tsy mamaly azy Andriamanitra satria mpirehareha sy ratsy toetra ireo.
13 Eny, ilay Andriamanitra Tsitoha dia tsy mihaino ny fitarainam-poana sady tsy mba miraharaha izany.
14 Ary dia sahinao lazaina aza, ry Joba, fa tsy mahita an'Andriamanitra ianao sady mbola miandry Azy hatrany, kanefa ny raharahanao efa mby eo anoloany;
15 ankehitriny, heverinao fa tsy mihatra ny fahatezeran'Andriamanitra; ary tsy fantany akory ny fikomian'ny olona.
16 Koa miloa-bava milaza hevi-poana ianao ary mandahatra teny maro tsy misy dikany.