Jôba

Toko faha-32

1 Noho i Joba nihevi-tena ho marina, dia nitsahatra tsy namaly azy intsony i Elifaza sy i Bildada ary i Tsofara.

2 Koa nirehi-pahatezerana noho izany i Eliho zanakalahin'i Barakela avy amin'ny fokon'i Boza sady anisan'ny tarik'i Rama; tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria mihambo ho marina i Joba teo anoloan'Andriamanitra.

3 Nirehi-pahatezerana tamin'ny sakaizany telo lahy koa i Eliho, satria sady tsy nahita valinteny ho an'i Joba ireo no nanome tsiny an'Andriamanitra.

4 Fa mbola niandry i Eliho vao niteny tamin'i Joba, satria be taona kokoa noho izy ny hafa.

5 Rehefa hitany anefa fa tsy nanan-kavaly intsony izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany.

6 Dia niteny i Eliho zanakalahin'i Barakela avy amin'ny fokon'i Boza ka nanao hoe: Mbola tanora loatra aho fa ianareo kosa efa be taona koa dia natahotra aho aloha ary tsy sahy nanambara taminareo izay mba fantatro.

7 Fa hoy aho anakampoko hoe: "Aoka ny be taona hiteny, ary ny anti-panahy hampianatra ny fahendrena."

8 Kanefa ao amin'ny olombelona ao dia ny fanahy, na ny fofonain'ilay Tsitoha, no manome fahalalana azy.

9 Fa tsy hoe taona na traikefa ananana no mampahendry sy ahalalana ny marina.

10 Noho izany, mangataka anareo aho hihaino ahy fa hambarako aminareo koa izay mba fantatro.

11 Mba niandry izay kabarinareo aho ary nampandry sofina tamin'izay halahatrareo, mandra-pandinidinikareo izay ho lazaina.

12 Eny, nihaino tsara anareo aho, fa tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo.

13 Ary aza manao hoe: "Efa hitanay ny fahendrena: Andriamanitra fa tsy olombelona no hamaly azy."

14 Tsy nikabary hamely ahy anefa i Joba, ary tsy ny teninareo no hamaliako azy.

15 Indro fa very hevitra izy telo lahy, ry Joba, hany ka tsy mamaly anao intsony ary tsy mahita izay hotenenina.

16 Niandry foana aho fa tsy niteny izy sady nijanona tsy namaly intsony;

17 koa anjarako indray no miteny hanambara izay mba fantatro.

18 Fa feno izay tokony ho lazaina ny foko; fanoitra ato anatiko no manery ahy hiteny.

19 Mamorivory toa iotrehan-divay ny ato anatiko ka tahaka ny siny hoditra vaovao efa ho triatra.

20 Koa avelao aho hiteny hampahamaivana ahy; dia ho afaka hanoka-bava aho ka hamaly.

21 Tsy mba hizaha tavan'olona aho na handodoka na iza na iza;

22 fa tsy mahay mandodoka olona aho, sao ho foanan'ny Mpahariko tsy hoela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056