Jôba
Toko faha-3
1 Niloa-bava ihany i Joba tamin'ny farany ka nanozona ny andro nahaterahany.2 Nandray fitenenana izy ka nanao hoe:
3 Enga anie ka ho foanan'Andriamanitra ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe; "zazalahy no torontoronina"!
4 Ho tonga haizina anie izany andro izany, ka tsy hotsarovan'Andriamanitra any ambony any ary tsy hisy mazava hamiratra aminy intsony.
5 Izay aloka mainty indrindra anie handrakotra azy; ary aoka hisy raho-matevina hitatao aminy na koa fanakona-masoandro mahatahotra.
6 Enga anie ka izany no ho alina maizina indrindra ka tsy ho tafasisika amin'ny marikandron-taona ary tsy hiditra intsony amin'ny fanisam-bolana.
7 Ho momba anie izany alina izany ka tsy handrenesam-pihobiana mihitsy!
8 Hanozona azy anie ny mpanozona andro izay mahay mamoha ilay dragona lehibe !
9 Tsy hahita ny kintan'ny maraina anie izy ka hiandry ny mazava tsy ho tonga ary koa tsy hahatsinjo akory ny fiposahan'ny mazava atsinanana!
10 Satria tsy nahasakana ny hahaterahako izy sy ny hahitako izao fahoriana izao.
11 Nahoana aho no tsy maty hatrany am-bohoka, na tsy niala aina fony vao nivoaka avy tany an-kibo?
12 Nahoana no nisy lohalika roa nandray ahy sy nono roa ninonoako?
13 Tahaka izay aho mba nilamina tany am-pasana ka nandry am-piadanana feizay
14 niaraka tamin'ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny tany izay nanangana indray ny tsangambato efa rava,
15 na niaraka tamin'ny andriandahy be volamena sady manana volafotsy mameno trano.
16 Na koa naleoko fotsiny tsy ary toy ny zaza tsy azo ka nafenina, dia toy ny zaza tsy nahita mazava.
17 Any am-pasana any ny olon-dratsy no mitsahatra amin'ny fampahoriana ary any ny reraka no miala sasatra.
18 Mahita fiadanana koa ny mpigadra, ka tsy handre intsony ny antsoantson'ny mpiambina.
19 Samy tafakambana any na kely na lehibe ary ny mpanompo aza dia ho afaka amin'ny tompony.
20 Nahoana no ataon'Andriamanitra mahita masoandro ny olona ory ary ataony velona ireo tototra alahelo?
21 Miandry ny fahafatesana tsy ho tonga izy sady mitady azy fatratra mihoatra noho ny harena.
22 Hibita-kafaliana tokoa ireo sady ho ravoravo hahazo fasana!
23 Nahoana no tsy mahita lalan-kombana ny olona fa toa voahidin'Andriamanitra ho anaty tamboho?
24 Eny, toloko hatrany no sakafo fihinako ka migororoana toy ny rano ny fidradradradrako.
25 Izay atahorako ka mampitebiteby ahy no tanteraka sy mihatra amiko.
26 Tsy manam-pitoniana na fiadanana aho, tsy misy fitsaharana fa tebiteby lava.