Jôba
Toko faha-29
1 Dia mbola nandahatra ihany i Joba ka nanao hoe:2 Iza re no hamerina amiko indray ireny volana taloha izay niainako teo ambany fiarovan'Andriamanitra,
3 fony mbola nirehitra teo ambony lohako ny jirony ka ny fahazavany no nitari-dalana ahy tamin'ny alina?
4 Tao anatin'ny andro fanambinana aho tamin'izay ary narovan'ny fisakaizan'Andriamanitra ny fonenako,
5 fony mbola niaraka tamiko ilay Tsitoha ary nanodidina ahy ireo zanakalahiko.
6 Tamin'izay no nilomanosako tao anatin'ny harena miavosa sy nikorianan'ny diloilo ho ahy avy amin'ny vato famiazana oliva.
7 Raha nankeny am-bavahadin'ny tanana aho ka nandray ny toerako teo an-kianja ,
8 dia nahita ahy ny tanora ka nitsoatsoaka, ary ny antitra nitsangana ka nijaridina teo.
9 Nangina tsy nahateny ny lehibe fa nitampim-bava fotsiny.
10 Tankina koa ny feon'ireo mpanapaka ka toa niraikitra tamin'ny lanilany ny lelany.
11 Izay nandre dia nidera ahy; ary izay nahita dia samy nankasitraka.
12 Satria novonjeko ny mahantra izay nitaraina tamiko ary koa ny kamboty tsy nanan-kianteherana.
13 Tonga tamiko ny tsodranon'ny miala aina ary dia nampifalifaliako ny fon'ny mpitondratena.
14 Ny fahamarinana no akanjo fanaovako, ny fitandroako ny rariny no ihaingoako tahaka ny lamba sy toy ny fehiloha.
15 Nanjary maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny malemy.
16 Eny, efa tonga ray ho an'ny mahantra aho; ary nandray an-tanana ny olan'ireo vahiny.
17 Nomontsaniko ny vala noranon'ny olon-dratsy hanafahako izay voagejan'ny nifiny.
18 Dia hoy aho hoe: "Ato amin'ny akaniko no hialako aina toy ny feniksa ka hahamaro ny androm-piainako indray.
19 Tahaka ny hazo manana faka azon-drano aho, sady manana ny ravin-drantsana izay handrian'ny ando amin'ny alina.
20 Ho havaozina tsy tapaka ny voninahitro ary ho toy ny tsipika voahenjana ny heriko."
21 Nihaino ahy tamim-panantenana ny olona, ka samy nangina teo am-pandraisana ny hevitro.
22 Rehefa niteny aho dia tsy nisy namaly intsony, ary nanenika azy tsikelikely ny teniko.
23 Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy, ary toy ny mitanatana vava miandrandra ny oran-dohataona.
24 Raha nisy nila ho ketraky ny hakiviana ireo, dia notolorako tsiky fampaherezana ary nampamiratako ny fahazavan'ny tavako.
25 Nitarika azy sy nanoro lalana azy aho, ka nahavatra niara-nitoetra taminy toy ny mpanjaka milasy miaraka amin'ny tafiny na toy ny olona mampionona ny tra-pahoriana.