Jôba
Toko faha-26
1 Namaly i Joba ka nanao tamin'i Bildada hoe:2 Endrey ny fahaizanao manampy ny osa sy mampahatanjaka ny miraviravy tanana toa ahy!
3 Endrey ny fahaizanao manolo-tsaina sy mizara fahendrena mitafotafo amin'ny adala toy ny tenako izao!
4 Fa iza moa no nampandahatra anao ireo teninao ireo? Ary fanahin'iza no nampivolana anao toy izany?
5 Mipararetra ny matoatoa any ambany any, mihorohoro koa ny ranobe sy ny mponina ao aminy.
6 Mihanjahanja eo anatrehan'Andriamanitra ny toeran'ny maty, ary miharihary eo imasony ny hantsam-pahaverezana.
7 Izy no mamelatra ny lanitra avaratra eny amin'ny babangoana ambony eny, ary mampihevaheva ny tany eny ana habakabaka.
8 Angoniny ao amin'ny rahony ny orana kanefa tsy mampitriatra ny fanambanin-drahona.
9 Takony tsy hitantsika ny tavan'ny volana fenomanana , satria amelarany raho-matevina hanarona azy.
10 Hodidininy faribolana ny ranomasimbe, dia amin'izay mampisaraka ny mazava sy ny maizina.
11 Vao rahonany fotsiny ny andrin'ny lanitra dia mihozongozona sy tsiravina.
12 Ny heriny no namolahany ny ranomasina, ary ny fahendreny no nandreseny an'i Rahaba.
13 Ny fofonainy no nampahazava ny lanitra, ary ny tanany no namantsika ilay bibilava mitsoriaka.
14 Indreny no ampahany kely amin'ny asany ary ako malefak'izany no mba rentsika fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no hahatakatra izany?