Jôba

Toko faha-25

1 Niteny i Bildada avy any Soha ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 An'Andriamanitra ny fanapahana sy ny fahefana mahatahotra. Izy no mampitoetra ny fiadanana hatrany an-danitra ambony any.

3 Moa azo isaina ny miaramilany? Ary iza no tsy iposahan'ny fahazavany?

4 Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary ahoana no hahadio izay tera-behivavy?

5 Indro ny volana aza matroka ary ny kintana tsy madio eo imasony,

6 mainka moa fa ny olombelona izay tsinontsinona tahaka ny kankana aman'olitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0572