Jôba

Toko faha-24

1 Nahoana no tsy feran'Andriamanitra Tsitoha ny fotoanandro voatendry hitsarany, ka hahitan'ny mpanompony Azy manafay ny ratsy.

2 Fa afindran'ny olona ny baorin-taniny; ary biby fiompy nangalarina no andrasany.

3 Indaosina ny borikin'ny kamboty ary atao antoka ny ombin'ny mpitondratena.

4 Voatosika ivelan'ny lalana ny mahantra; ka voatery miafina avokoa ny madiniky ny tany.

5 Indro tahaka ny fiaingan'ny borikidia ho any an-taniefitra no iaingan'ireo mahantra hiasa any an-tanihay hahazoany hanina hameloman-janaka.

6 Eny an-tsahan'ny hafa ireo madinika no voatery hamory vilona ary eny an-tanimboaloboky ny olon-dratsy no voatery hitsimpontsimpona voaloboka.

7 Mandry miboridana izy amin'ny alina; fa tsy manan-damba hisaronana; tsy mba mirakotra izy raha mangatsiaka.

8 Kotsan'ny orana any an-tendrombohitra izy, ka mitampifimpify amin'ny vatolampy satria tsy manan-kialofana.

9 Na dia ny kamboty mbola minono aza dia sarihin'ny olon-dratsy ho mpanompony, ary ataony ho antoky ny mahantra.

10 Ampandehanina amin'izao tsy miakanjo ireo sady ampitondraina amboaram-bary nefa noana.

11 Ao anaty sahan'ny olon-dratsy izy no manery oliva hahazoa-menaka sady manosihosy koa ny famiazam-boaloboka saingy tsy afa-misotro divay hialan-ketaheta.

12 Mitoreo ao an-tanana ny olona, mitaraindraina ny maratra miala aina, nefa tsy ahoan'Andriamanitra izany.

13 Ny olon-dratsy no mankahala ny mazava, ka tsy mahalala ny lalan-tarafiny akory na mizatra amin'ny sakeli-dalany.

14 Mifoha vao mangiran-dratsy ny mpandatsaka aina ka mamono ny mahantra sy ny ory ho faty, ary lasa mpangalatra rehefa tonga ny alina.

15 Mikendry somambisamby ny mpaka vadin'olona ka manao anakampo hoe: "Tsy misy hahita ahy". Ary dia misaron-tava amin'izay izy.

16 Ao anaty haizina no mamaky trano ny mpangalatra fa mihidy an-trano kosa izy nony antoandro ka tsy mahalala akory ny mazava;

17 ho azy rehetra ireo dia ny alina mahatahotra no maraina satria efa zatra ny alina mahatahotra izy.

18 Fa ianareo kosa milaza hoe: "Mitsinkafona entin-drano ny olon-dratsy, voaozon'ny olona ny anjara-taniny eto. Tsy iviliany intsony ny lalana mankany amin'ny tanim-boaloboka.

19 Tahaka ny andevonan'ny hafanana sy tanihay ny ranomandry no andevonana ny mpanota any amin'ny toeran'ny maty.

20 Manadino azy ny kibo nifonosany; ary manjary hanim-py ho any'ny olitra izy, ka dia tsy ho tsaroana intsony. Eny, tapaka tahaka ny hazo ny faharatsiana.

21 Nampahory ny momba tsy niteraka izy, ary tsy mba nanisy soa ny mpitondratena.

22 Fa Andriamanitra dia manan-kery hamotika ny matanjaka; Mitroatra Izy ka tsy manampo ho velona intsony ireo.

23 Avelany hatoky tena tanteraka izy, kanefa arahiny maso ny lalan-kalehany.

24 Nisandratra vetivety izy, dia tsy hita intsony; Mitolefika toa voninkazo malazo izy, ka tangosana toy ny salohim-bary."

25 Raha tahiny ka tsy izany no marina, dia iza no sahy hanao ahy ho mpandainga ka haneho fa tsinontsinona izay voalazako?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0872