Jôba

Toko faha-23

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Ankehitriny vao tena mangidy ny fitarainako na dia efa nampanginiko aza ny tolokoko.

3 Satriko ho fantarina mihitsy izay hahitako an'Andriamanitra! Dia ho nataoko izay hahatongavana hatrany amin'ny toeram-pitsarany.

4 Halahatro eo anatrehany ny adiko, ka hataoko be ao am-bavako ireo porofo.

5 Dia ho fantatro izay teny havaliny ahy, ary ho azoko tsara izay holazainy amiko.

6 Hiezaka mafy ve Izy hifandahatra amiko?Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy.

7 Amin'izay dia olo-mahitsy no hifanazava aminy, ary hanafaka ahy mandrakizay Izy mpitsara ahy.

8 Nefa raha miantsinanana aho, dia tsy any Izy; ary miankandrefana aho, saingy tsy mahita Azy.

9 Sahirana any avaratra ve Izy ka tsy tazako, na koa miery any atsimo ka tsy tsikaritro!

10 Na izany aza, fantany tsara ny lalana falehako; fa raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.

11 Nifikitra tamin'ny sori-dalany ny diako; eny, nizotra ny lalany Aho fa tsy nivilivily.

12 Tsy nanda izay didy nambarany aho;fa tao am-poko no nitahirizakoizay rehetra naloaky ny vavany.

13 Nefa tokam-pisainana Andriamanitra koa iza no afaka hampiova hevitra Azy? Fa izay voakasany no ataony.

14 Hotanterahiny izay efa nodidiny ho ahy ary koa ny fikasana maro mbola ao aminy.

15 Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; raha mandinika izany aho, dia matahotra Azy.

16 Satria Andriamanitra no nampiketra ka ny herim-poko; eny, ilay Tsitoha no nampivarahontsana ahy.

17 Kanefa tsy nangina aho, na dia avy aza ny alina ary na dia nohajambain'ny haizim-pito aza aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554