Jôba

Toko faha-22

1 Dia niteny i Elifaza avy any Temana ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Mba mahasoa an'Andriamanitra ve ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany izy raha hendry.

3 Mampaninona an'ilay Tsitoha moa ny fahamarinanao? Inona no soa azony na dia mahatoky aza ianao ?

4 Ny fanajanao Azy ve no hiarovany anao sy hiandaniany aminao amin'ny fitsarana?

5 Tsia, satria be loatra ny faharatsianao ary tsy hita fetra ny helokao.

6 Fa naka antoka tsy an-drariny tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny hany fitafiana teny an-kodiny.

7 Tsy nanome rano ho an'ny mangetaheta ianao ary tsy nahafoy mofo kely ho an'ny noana.

8 Fa ny be sandry no navelanao hahazo ny tany ary ny mpiandranandrana no nekenao hitoetra eo.

9 Noroahinao hitondra tanam-polo ny mpitondra tena ary norobainao ny teo an-tanan'ny kamboty.

10 Izany no mahatonga anao ho voahodidim-pandrika sy ho voafahiranon-korohoro tampoka.

11 Na hoe rakotry ny haizina ianao ka tsy mahita na inona na inona intsony; fa rendrika ao anaty onjan-drano.

12 Tsy any an-danitra avo any ve Andriamanitra? Igagana ny halaviran'ny kintana ambony indrindra.

13 Ka hoy ianao hoe: "Inona no fantatr'Andriamanitra? Afa-maninteraka ny raho-mainty ve Izy mba hitsara antsika?

14 Takon'ny raho-matevina Izy ka tsy mahita, rehefa mandehandeha mitety ny lanitra."

15 Tianao hizorana ve ny lalam-pahagola izay falehan'ireo olon-dratsy,

16 dia ireo voailika alohan'ny fotoana ka lasan'ny riaka hatramin'ny fanorenany?

17 Eny, ireo olon-dratsy ireo indrindra no nanao tamin'Andriamanitra hoe: "Miala aminay! Fa afaka ny hanao inona aminay moa ilay Tsitoha?"

18 Kanefa Izy no nampanankarena ny ankohonany. Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny olon-dratsy.

19 Ny marina mahita ny fahavoazany ka faly ary ny tsy manan-tsiny mba maneso azy hoe:

20 Indreo fa ringana ny fahavalontsika! Efa kilan'ny afo avokoa ny fananany.

21 Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra dia hiverina aminao ny fahasambarana.

22 Mbola raiso ny fampianarana omeny anao ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Miverena am-panetren-tena amin'ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.

24 Ario amin'ny tany ny vongam-bolamenanao na avelao eny amin'ny vaton-driaka;

25 fa ilay Tsitoha no ho volamenanao sy ho volafotsy miavosa ho anao.

26 Koa dia hifaly amin'ilay Tsitohaianao ary hanandra-tava mitoky amin'Andriamanitra.

27 Raha mivavaka aminy ianao, dia ho henoiny; ary ho efainao aminy ny voadinao.

28 Fa ho tanteraka aminao izay ka sainao hatao; ary ny mazava hamiratra eo amin'ny lalanao.

29 Fa Andriamanitra manetry ny miavonavom-pisainana, nefa kosa mamonjy ny manetry tena.

30 Satria manafaka na dia ny olo-meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan'ny tananao no hanafaka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558