Jôba

Toko faha-21

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Mba henoy tsara izay lazaiko, fa izany no hampiononanareo ahy.

3 Mandefera amiko mba hahazoako miteny; fa rehefa tapitra ny teniko, dia afaka mananihany ianareo.

4 Ny ataon'olombelona ve no itarainako? Tsia, koa nahoana aho no hahalefitra?

5 Mitodiha aty amiko, fa ho gaga ianareo ary hitampim-bava tsy hahaloa-peo.

6 Raha mieritreritra izany ny tenako, dia raiki-tahotra sady mari-koditra.

7 Nahoana no mbola ahaveloman'ny olon-dratsy? Nahoana izy no tratra antitra sady be fahefana?

8 Ny taranany koa mipetraka tsara eoa miny, ary ny zafikeliny mitombo eo imasony.

9 Miadana ao an-tranony izy ka tsy matahotra; ary ny fikapohan'Andriamanitra tsy mahavoa azy.

10 Ny ombilahiny manaraka ka mahavanona; ary ny ombivaviny tsy mba mamotsotra.

11 Mampiriaria ny zanany toy ny zanak'ondry izy ary mampifalihavanja ireo zafikeliny.

12 Mihira miaraka amin'ny amponga sy ny lokanga izy sady faly mandihy amin'ny feon-tsodina.

13 Rehefa niaina tamim-pahasambarana izy, dia midina miadana any amin'ny fonenan'ny maty,

14 Kanefa hoy ireo tamin'Andriamanitra: "Miala aminay, fa tsy te hahalala akory izay lalanao any izahay.

15 Zinona koa ilay Tsitoha noho TOMPOinay? Ary mitondra inona izay fivavahana aminy?"

16 Marina fa tsy tompon'ny fahasambarany izy. Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny olon-dratsy.

17 Matetika ve no maty tampokany jirom-piainan'ny olon-dratsy? Matetika ve izy no iharan-doza, na ianjadian'ny fahatezeran'Andriamanitra mba ho anjara sahaza azy?

18 Sa ho toy ny mololo entin-drivotra sy akofa indaosin-tadio araka ny fiteny?

19 Fa hoy ianareo hoe: "Andriamanitra noho ny helo-dray, dia mbola hanasazy ny zanany. "Tsia! Fa aoka ilay meloka ihany no hosazin'Andriamanitra mba hahatonga saina azy.

20 Aoka ny olon-dratsy hahita maso ny fahoriany ka higoka ny fahatezeran'ilay Tsitoha.

21 Ahoan'ny meloka inona moa izay hanjo ny taranany, rehefa tapitra hatreo ny androm-piainany?

22 Andriamanitra va no hampianarina izany, nefa na ny anjely aza eo ambany fifehezany?

23 Ny olona sasany dia tomady tsara sady miadana no tsy manana ahiahy, mandra-piavin'ny fahafatesany;

24 mavesatry ny tavy ny kibony, ary vonton-tsoka ny taolany.

25 Fa ny olona sasany kosa maty ao anatin'ny ngidim-piainana, ka tsy mba nanandram-pahasambarana.

26 Samy mandry eo amin'ny vovoka ny tenan'izy roa tonta ireo, ka samy rakotry ny olitra.

27 Tandremo fa fantatro ny hevitrareo sy izay eritreretinareo ny amiko,

28 fony ianareo miteniteny hoe: "Aiza izao ny tranon'ny mpampahory, aiza ny lay fonenan'ny olon-dratsy?"

29 Mba anontanio kosa ange ny mpitety tany, ary mahaiza mamantatra ny zavatra ambarany hoe:

30 Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy, raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.

31 Zovy no mba sahy hitsikera ny toetrany na hampanonitra azy ny ratsy nataony?

32 Rehefa maty izy, dia entina halevina, ary mbola ambenina aza ny fasany.

33 Ho maivana aminy ny tany izay manototra azy ao an-dohasaha, fa vahoaka maro no nitanjozotra taoriany ary olona tsy hita isa no nisesy teo anoloany.

34 Koa tsy misy antony amiko izay fampiononanareo, fa lainga avokoa no raketin'ny valinteninareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554