Jôba

Toko faha-20

1 Dia niteny i Tsofara avy any Nahama ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Noho izany, ny fieritreretako no manosika ahy hamaly ary koa ny fahamaimaizana misy ato amiko.

3 Nandre lesona manevateva ahy aho, nefa ny saiko mahita ny havaly izany.

4 Moa tsy fantatrao ve fa hatramin'ny ela, hatrizay nampitoerana ny olona teto an-tany,

5 dia vetivety ny fireharehan'ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian'ny tsy mpivavaka.

6 Fa na dia mipaka any an-danitra aza ny haavony ka mitehina amin'ny rahona ny lohany,

7 dia ho levona mandrakizay toy ny dikiny izy; ary izay nahita azy dia hanontany hoe:"Mba aiza ary izy?"

8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy hita intsony, ary levona tahaka ny fahitana amin'ny alina.

9 Izay nahatazanan'ny maso azy dia tsy hahitana azy intsony, fa ny toeram-ponenany aza tsy hahatsikaritra azy intsony.

10 Ny zanany hanonitra amin'ny mahantra, ary ny tanany ihany no hamerina izay nalainy.

11 Herim-pahatanorana no manenika ny taolany, nefa hiara-mandry aminy ao am-pasana izany.

12 Na mamy ao am-bavan'ny tsy mpivavaka aza ny ratsy ka afeniny ao ambanin'ny lelany,

13 ary na ankafiziny ela aza izany ka tahiriziny ao ambanin'ny lanilaniny,

14 dia hivadika hankarary kibo fa efa tonga poizina ao anatiny.

15 Handoa ny harena izay nateliny izy; holoaran'Andriamanitra tao an-kibony izany.

16 Fa poizin'ny bibilava no efa notsentsefiny: ka dia ho fatin'ny kaikitry ny menarana izy.

17 Tsy ho hitany intsony ny tantely sy ronono, izay mitosaka toa renirano na ony aman-driaka.

18 Haveriny izay nisasarany fa tsy azony hanina; koa na betsaka aza ny tombom-barony, dia tsy mba hifaliany akory izany.

19 Eny, nanosihosy sy nahafoy ny mahantra izy, ary nangalatra tranon'olona an-keriny fa tsy mba nanao ho an'ny tenany.

20 Tsy mba nahalala onony velively izy, koa tsy hahavonjy ny zavatra nankamaminy.

21 Ary tsy nisy tsy nanamparany fahalian-karena; ka dia tsy haharitra ny hasambarany.

22 Hitaintaina ny tsy mpivavaka na dia manan-karembe aza, satria tebiteby mangeja no hianjady aminy.

23 Iny izy mbola sondriana mameno kibo iny, dia andefasan'Andriamanitra fahatezera-mirehitra izay hirotsaka aminy ho solon-tsakafony.

24 Raha miala ny sabatry ny fahavalo izy, dia ho voatrobaky ny tsipika varahina.

25 Ongotany ny zana-tsipika nitrobaka azy; ka raha vao tafatsoaka amin'ny atiny izany, dia ny tenany indray no iharan'ny horohorom-pahafatesana.

26 Ny haizim-pandringanana no voatokana ho an'ny zava-tsoa rehetra izay voaangony; ary afo tsy narehitr'olombelona no mandoro azy ka mandevona ny sisa ao an-tranony.

27 Ny lanitra mampiharihary ny helok'io olona io, ary ny tany mitsangan-kiampanga azy.

28 Lasa rano ny harembe ao an-tranony, amin'ny androm-pahatezeran'Andriamanitra.

29 Toy izany no anjara sy lova voatokan'Andriamanitra ho an'ny olon-dratsy sy voatendrin'ny teniny hianjady aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056