Jôba

Toko faha-2

1 Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin'ny TOMPO ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satana.

2 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Satana: -Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny TOMPO izy hoe: -Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.

3 Hoy indray ny TOMPO taminy: -Efa nahita an'i Joba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany: lehilahy tsy misy ho kianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin'antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.

4 Fa mbola namaly ny TOMPO i Satana ka nanao hoe: -Hoditra solon'ny hoditra. Izay ananan'ny olona dia homeny hiarovany ny ainy.

5 Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!

6 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Satana: -Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.

7 Dia niala teo anatrehan'ny TOMPO i Satana ka namely aretin-koditra mahatsiravina an'i Joba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.

8 Dia nitombina teo an-davenona i Joba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.

9 Ary hoy ny vadiny taminy: -Mbola mikiry amin'ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!

10 Dia hoy i Joba namaly azy: -Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin'Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy anekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy? Tamin'izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin'ny molony i Joba na dia kely aza.

11 Ary nandre ny fahoriana rehetra nianjady tamin'i Joba ny sakaizany telo lahy, dia i Elifaza avy any Temana sy i Bildada avy any Soha ary i Tsofara avy any Nahama , ka samy niala tany aminy avy ary nifanaiky fa haneho aminy ny fiaraha-miory sy hankahery azy.

12 Saiky tsy nahafantatra azy anefa ireo raha nahatazana an'i Joba, ka dia nitomany; nandriatra fitafiana izy ary nanopy vovoka teny amin'ny rivotra mba hiraraka eny an-dohany avy.

13 Dia nijanona nipetraka tamin'ny tany niaraka tamin'i Joba nandritry ny fito andro sy fito alina ireo sady tsy nisy niteny na inona na inona taminy satria hitany ny halehiben'ny fahoriany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548