Jôba
Toko faha-18
1 Dia niteny indray Bildada avy any Soha ka nanao hoe:2 Rahoviana no hatsahatrareo roa lahy izany teny izany? Mieritrereta aloha ianareo; izay isika vao miresaka!
3 Nahoana no ataon'i Joba ho donto toy ny biby isika telo lahy? Sa olona tery saina ve isika eo imasonareo?
4 Ary ianao kosa, ry Joba, izay mampahory tena amin'ny fahatezeranao, noho ny aminao ve no hahalao ny tany sy hampifindra toerana ny vatolampy?
5 Eny, ho faty tokoa ny jiron'ny olon-dratsy, ary tsy hirehitra intsony ny lelafony.
6 Ny hazavana hihamaizina ao an-tranony; ary ho faty koa ny fanaovan-jirony.
7 Hiambakavaka ilay famindrany matoky iny, ary ho lavon'ny foto-pisainany ihany izy;
8 satria ny tongony no hitarika azy ho amin'ny harato, ka dia handroso ho voasingotra avy hatrany izy.
9 Ho azon'ny fandrika ny ombalahintongony, ary hangeja azy mafy ny tadivavarana.
10 Miafina eo amin'ny tany eo ny tady hamingana azy; ary efa misy longoa mitoto-bozaka eny an-dalany.
11 Manemitra azy hatraiza hatraiza ny horohoro ary manara-dia azy amin'izay alehany.
12 Lanin'ny mosary ny fahavitrihan'ny olon-dratsy ary mitoetra eo anilany ny fahantrana.
13 Eny, laniny tsikelikely ny sombin-kodiny, ary kikisan'ny areti-mandoza ny rantsam-batany.
14 Ho esorina amin'ny fonenany azo antoka izy ka ho entina eo anatrehan'ilay mpanjaka Rafahafatesana.
15 Tsy misy mpipetraka ny tranony ka azo itoerana, dia ho fafazana solifara ny faritra fonenany.
16 Fa ho tonga toy ny hazo efa ho faty izy; mihamaina ny fakany avy ao ambany ary mihamalazo ny raviny avy any ambony.
17 Ho foana eto amin'ity tany ity ny fahatsiarovana ny olon-dratsy, ary efa hadino hatrany ivelany ny anarany.
18 Hakifika hiala amin'ny mazava hankamin'ny haizina izy ary ho roahina hiala amin'izao tontolon'ny velona izao.
19 Ho lany tamingana tsy hamela taranaka izy ary tsy hisy ho velona ny ao amin'ny fonenany.
20 Igagan'ny any Andrefana ny fahavoazany, sady mampihorohoro ny any Atsinanana.
21 Toy izany, hoy ireo, no miandry ny fonenan'ny mpanao ratsy; izao no manjo ny toerana izay tsy niekena an'Andriamanitra.