Jôba

Toko faha-15

1 Dia niteny indray i Elifaza avy any Temana ka nanao tamin'i Joba hoe:

2 Velon-drivotra va ny olon-kendry toa anao ka hiteniteny foana tsy amim-piheverana

3 sady hampiasa firesaka tsy misy dikany ary koa fiteny tsy mahasoa akory?

4 Vitanao ravana ny fanajana an'Andriamanitra ary foananao ny fivavahana eo anatrehany!

5 Fa ny helokao no manesika anao hiteny; ary ny lelan'ny mpamitaka no arahinao.

6 Ka ny vavanao fa tsy izaho no manameloka anao, ary ny molotrao ihany no miampanga anao.

7 Ianao va, ry Joba, no olombelona teraka voalohany? Nahita masoandro talohan'ny tendrombohitra ve ianao?

8 Nanatrika ny filan-kevitr'Andriamanitra va ianao no bodoinao samirery ny fahendrena?

9 Inona no fantatrao ka tsy mba fantatray? Inona no hainao ka mbola manavia anay?

10 Mba misy eto aminay ihany koa ny ela nihetezana sy tratra antitra mihoatra noho ny rainao aza.

11 Moa tsy mendrika anao ve ny fampiononan'Andriamanitra sy ny teny mamy nataonay taminao?

12 Nahoana no dia entim-po toy izao ianao ary nahoana no mangarika anay ihany koa?

13 Ary nahoana Andriamanitra no ifatraran'ny fahatezeranao ka anaovanao vava tsy ambina?

14 Fa inona ny olombelona no hihamboho madio? Na izay natera-behivavy no hanao ny tenany ho marina ?

15 Raha Andriamanitra aza tsy matoky ireo anjeliny, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony,

16 mainka moa izay faikan'olona feno fahalovana izay misotro heloka toy ny fisotro rano?

17 Hanazava zavatra aminao aho ka henoy; fa Izay efa hitako no hambarako anao,

18 dia izay ampianarin'ny olon-kendry sady azony tamin'ny razany fa tsy nisy nafeniny.

19 Ireny razana ireny ihany raha teo no efa nomen'Andriamanitra ity tany ity ary tsy nisy vahiny nifangaroharo taminy.

20 Hoy ireo olon-kendry ireo hoe: "Ny olon-dratsy dia feno fanahiana mandritra ny andro rehetra iainany, na firy na firy ny taona voatendry ho an'ny lozabe.

21 Feo mampitahotra no tsy afaka an-tsofiny; amin'izy mihevi-tena ho milamina iny no avy hamely azy ilay mpandrava.

22 Tsy manantena ho afaka amin'ny haizina izy, satria manandindona azy ny ho fatin'ny sabatra,

23 ary miandry hamiravira azy ny voromahery. Fantany fa efa antomotra ny faharavany.

24 Mampatahotra azy ny fahoriana sy ny tebiteby izay mirohotra mianjady aminy tahaka ny mpanjaka omban-tafika vonon-kamely."

25 Izany no tonga dia satria ny olon-dratsy naninji-tanana hanohitra an'Andriamanitra sady nirehareha nihantsy an'ilay Tsitoha.

26 Ny olon-dratsy dia minia manamafy hatoka sy mimaona hamely an'Andriamanitra, satria ho no arovan'ny ampingany matevina.

27 Fenofeno ny tarehiny sady mahazo nofo ny tenabeny.

28 Niorim-ponenana an-tanana rava izy ka nitoetra an-trano aolo madiva hirodana.

29 Na oviana na oviana io olon-dratsy io dia tsy ho tonga mpanankarena mihitsy, satria tsy haharitra ela ny fananany; ary ny fahombiazany tsy hitatra amin'ny tany.

30 Tsy ho afaka amin'ny haizim-pahafatesana izy; fa ho tahaka ny solofon-kazomain'ny afo no handevonan'ny fofonain'Andriamanitra azy.

31 Diso hevitra izy raha hitoky amin'ny fitaka, satria ny nataony ihany no hivaly aminy.

32 Ho tanteraka alohan'ny fahafatesany izany, dia toy ny ravin-kazo tsy hihamaitso intsony,

33 na toy ny voaloboka hanintsana voambola manta, na toy ny oliva mampiraraka ny voniny.

34 Fa ho momba ny ankohonan'ny olon-dratsy. Ho levon'ny afo ny tranon'ny mpandray tsolotra.

35 Izay torontoronina loza dia miteraka fahoriana; fa ny kibony manotri-pitaka hahavoa azy ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559