Jôba

Toko faha-13

1 Indro ny masoko efa nahita izany rehetra izany, ary ny sofiko efa nandre ka nahafantatra.

2 Izay fantatrareo, mba fantatro ihany koa; ary tsy manaiky ho ambany noho ianareo aho.

3 Fa izaho kosa hiteny amin'Andriamanitra Tsitoha, satria Izy no tiako hitarainana.

4 Fa ianareo dia mpamoron-dainga, dokotera tsy mahasitrana avokoa.

5 Tsara kokoa ho anareo ny mangina tanteraka, fa ho mariky ny fahendrenareo izany.

6 Mba henoy ange ny fiarovan-tenako ary ataovy izay handrenesanareo ny fanoherana aloaky ny vavako.

7 Fanompoana an'Andriamanitra ve no anaovanareo lahateny tsy mitombina? Fimasoana Azy ve no ilazanareo fitaka?

8 Hiandany aminy ve ianareo ka handahatra hisolo vava Azy?

9 Ho tsara ve ny hizahany anareo akaiky? Tsy mba olombelona Andriamanitra ka ho azonareo fitapitahina.

10 Hahazo tsiny marimarina aminy ianareo, raha miangatra na dia mangingina aza.

11 Tsy mampihorohoro anareo ve ny fahalehibeazany? Tsy mianjady aminareo ve ny fahatahorana Azy?

12 Toy ny lavenona manidina ihany ny ohabolana ataonareo, ary manda fotaka ihany ny hevi-dalinareo.

13 Mangina ianareo fa anjarako izao no miteny; ary tsy mampaninona izay hanjo ahy any.

14 Vonona amin'ny zavatra rehetra aho, na dia hihatra amin'ny aiko aza izany.

15 Na dia hamono ahy aza Andriamanitra, dia tsy mampaninona; fa efa very ny fanantenako. Kanefa mbola hiaro tena eo anatrehany ihany aho.

16 Izany indrindra no fandresena ho ahy, satria ny mpihatsaravelatsihy dia tsy sahy hifanatrika aminy.

17 Koa mba henoy tokoa ny teny lazaiko; ary aoka mba ho ren'ny sofinareo izay ambarako.

18 Indro efa namelabelatra ny adiko aho, satria fantatro fa hanan-drariny ny tenako.

19 Moa misy te hifanandrina amiko ny amin'izany? Fa hangina sy ho faty aho, raha toa ka diso.

20 Zavatra roa no aza atao amiko, Andriamanitro o, dia tsy hiafina intsony ny tavanao aho:

21 Esory amiko aloha ny tananao izay mampahory ahy; ary aoka tsy hanjohy ahy intsony ny fampitahoranao.

22 Avy eo miantsoa ahy ho fotorinao fa hamaly aho; na izaho aloha no hiteny, izay Ianao vao mamaly.

23 Firy ary ny heloka amam-pahotako? Ampahafantaro ahy izay fiodinana amam-pahadisoako.

24 Nahoana no manafina ny tavanao Ianao, ka mandray ahy ho toy ny fahavalonao ?

25 Iza ary no hazainao? Izay ravin-kazo manidina ve! Ary zovy no enjehinao? Izay mololo maina ve!

26 No dia didim-pitsarana mangidy loatra no soratanao hamelezana ahy, ka ampanodiavinao ahy mbamin'ny heloky ny fahatanorako.

27 Dia manisy gadra ny tongotro Ianao sy manara-maso ny fihetsiko rehetra ary mitsikilo hatramin'ireo dian-tongotro.

28 Kanefa mihalevona toy ny hazoboboka ny aiko, moa va tsy toy ny fitafiana lanin'ny kalalao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568