Jôba

Toko faha-12

1 Dia namaly i Joba ka nanao hoe:

2 Marina fa ianareo no feon'ny vahoaka; ary dia hiara-maty aminareo ny fahendrena.

3 Kanefa mba manan-tsaina toa anareo koa aho ka tsy manaiky ho ambany noho ianareo. Fa iza no tsy mahalala izay lazainareo?

4 Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho raha mba miantso an'Andriamanitra hamaly ahy; eny, ihomehezana ny marina tsy manan-tsiny.

5 Ny ory tsy mba rangahy, hoy ny eson'ireo miadam-pinaritra; fampihatra amin'ny olona lavo izany.

6 Miadana ao an-tranony ny jiolahy mpandroba; tsy manana ahiahy ny mpihaika an'Andriamanitra, dia izay tsy mahalala andriamanitra afa-tsy ny heriny.

7 Mba anontanio ny biby fa hampianatra anao, ary ny voro-manidina fa hananatra anao.

8 Itambezoy ny tany fa hampahafantatra anao, ary ny trondron-dranomasina fa hampahalala anao.

9 Iza amin'ireo voaary rehetra ireo no tsy mahalala fa asan'ny tanan'ny TOMPO avokoa ireny!

10 Izy no mitana ny ain'ny voaary rehetra, mbamin'ny fofonain'ny olombelona tsirairay avy.

11 Adidin'ny sofina ny mamantatra ny teny, ary adidin'ny lanilany kosa ny mahatsapa tsiron-kanina, hoy ny filazan'ny oha-pitenenana.

12 Izay anti-panahy manam-pahendrena ary izay ela nihetezana, hono, lavavolo.

13 Saingy Andriamanitra kosa no tompon'ny fahendrena sy ny fahefana; Azy koa ny tolo-kevitra sy ny fahalalana.

14 Tsy misy mahatsangana izay ravan'Andriamanitra, ary tsy misy mahafaka izay voagadrany.

15 Raha mitana ny orana Izy, dia tonga ny hain-tany; fa raha mandefa ny rano kosa Izy, dia tondraka ny tany.

16 Ao aminy ny hery sy ny fahakingana; samy Azy na ny voafitaka na ny mpamitaka.

17 Ampirediredeny ireo mpanolotsaim-panjakana, ary ataony very saina ny mpitsara.

18 Foana ny ny fanamparam-pahefan'ny mpanjaka, ka tady mahazaka nosolom-pehikibony.

19 Ampirediredeny koa ny mpisorona, ary aongany izay manam-pahefana.

20 Ampangininy ny mpikabary mahay ary esoriny ny fahiratan-tsain'ny anti-panahy.

21 Fatrarany henatra ireo olona ambony ary ketrahiny ny herin'ny matanjaka.

22 Ahanjahanjany ny zava-miafina tanatin'ny haizina; ary izay tao amin'ny aloky ny fahafatesana dia avoakany ho eo amin'ny mazava.

23 Ampitomboiny ny firenena, nefa aringany avy eo; Avelany hitatra izy, kanjo ataony sesitany indray.

24 Vereziny ny sain'ireo mpifehin'ny tany, ka ampirenireneny any an-taniefitra tsy misy lalana;

25 any no itsapatsapany anaty haizina mikitroka sy ampivembenan'Andriamanitra azy tahaka ny mamo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0612