Jôba
Toko voalohany
1 Nisy lehilahy iray nonina tany amin'ny tany Hotsa, ka nantsoina hoe Joba. Tsy misy ho kianina sady mahitsy ary nanaja an'Andriamanitra izany lehilahy izany ka nifady ny ratsy.2 Nanan-janakalahy fito sy zanakavavy telo izy.
3 Nanana ondry fitoarivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin'ny mpanompo maro be koa izy. I Joba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan'i Palestinina.
4 Fanaon'ireo zanakalahin'i Joba ny mifandimby mifanasa amin'ny sakafo tsara. Koa nasainy ireo anabaviny telo mba hiaraka mihinana sy misotro aminy.
5 Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin'i Joba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba hoe: "Fandrao nanota na nanda an'Andriamanitra tao am-pony ny zanako." Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
6 Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin'ny TOMPO ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satana.
7 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Satana: -Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny TOMPO izy hoe: -Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.
8 Ary hoy ny TOMPO taminy: -Efa nahita an'i Joba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy.
9 Fa mbola namaly ny TOMPO i Satana ka nanao hoe: -Moa tsy fanantenan-javatra ve no anajan'i Joba Anao?
10 Moa tsy Ianao ve no miaro azy sy ny fianakaviany mbamin'ny fananany toy ny fefy manodidina? Notahinao izay asa nataony, ary efa nomenao omby aman'ondry mameno ny taniny izy.
11 Fa esory aminy ange izay ananany e, raha tsy ankitsirano izao no haniratsirany Anao!
12 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Satana: -Indro eo am-pelatananao izay ananany rehetra. Nefa aza kasihinao kosa ny tenany. Dia niala teo anatrehan'ny TOMPO i Satana.
13 Indray andro raha nihinana sy nisotrotao an-tranon-jokiny lahimatoa ireo zanak'iJoba,
14 dia nisy iraka tonga tany amin'i Joba nilaza taminy hoe: "Raha teo am-piasanainy indrindra ny omby ary raha nihinana teo akaikiny ny borikivavy,
15 dia nidinan'ny Sabeanina tampoka ka norobainy; novonoiny ho faty tamin'ny sabatra ny mpanomponao, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao."
16 Fa raha tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga nilaza hoe: "Nilatsaham-potaka ny ondry aman'osy sy ny mpiandry azy ka levona, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao."
17 Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin'io, dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: "Nasian'ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin'ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao."
18 Fa raha tsy mbola tapitra koa ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: "Raha teo am-pihinanana sy teo am-pisotroana tao an-tranon-jokiny ireo zanakao,
19 dia nifofofofo avy any an-taniefitra ny rambon danitra ka nipaoka ny zoron-trano efatra; maty nianjeran'ny trano tao avokoa ireo zatovo, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao."
20 Dia nitsangana i Joba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin'ny tany ka niankohoka
21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon'ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako any an-kibon'ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Hisaorana anie ny anaran'ny TOMPO.
22 Tamin'izany fahoriana rehetra izany dia tsy mba nanota i Joba ary tsy nanome tsiny an'Andriamanitra.