Hagay
Toko voalohany
1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, fony andro voalohan'ny volana fahenina, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany. Hafatra ho an'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela, sy ho an'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky izany ka nanao hoe:2 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Ny vahoakan'ity firenena ity milaza fa tsy mbola tonga ny fotoana hananganana indray ny tranoko.
3 Dia nisy indray tenin'ny Tompo tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany. Hafatra ho an'ny vahoaka izany ka nanao hoe:
4 Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity?
5 Koa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo.
6 Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman'ny mpiasa dia mora lany toy ny amin'ny kitapo loaka.
7 Izany no ilazan'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo.
8 Miakara any an-tendrombohitra, dia maka hazo ary atsangano indray ny tranoko. Ho sitrako sady hahazoako voninahitra izany, hoy AHO aminareo.
9 Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy.
10 Izany no tsy nisian'ny orana latsaka na zavatra naniry.
11 Nantsoiko ny fahamainana hamely ny tany: dia ny tendrombohitra, ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin'oliva sy ny tanimboly hafa; hahita faisana amin'izany koa ny olona mbamin'ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra nisasaran'ny tananareo.
12 I Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jotsadaky mbamin'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain'i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan'ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.
13 Dia araka ny hafatra nampitondrain'ny TOMPO ho an'ny vahoaka no nitenenan'i Hagay iraky ny TOMPO hoe: Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.
14 Dia notairin'ny TOMPO ny risi-pon'i Zerobabela governoran'i Joda sy ny an'i Josoa mpisorombe ary ny an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon'ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamaniny,
15 tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, volana fahenina, andro faha-24.