Habakòka

Toko faha-3

1 Izao no vavaka miendrika fitarainana nataon'i Habakoka mpaminany.

2 TOMPO o, efa reko izay nambaranao ka dia raiki-tahotra aho. TOMPO o, enga anie ny asanao mba ho velombelona hatrany amin'izao andronay izao; eny, amin'izao andronay izao no ataovy fantatry ny olona izany. Fa na dia tezitra aza Ianao, asehoy anay ihany ny indrafonao.

3 Tonga avy any Temana Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.

4 Famirapiratana toy ny fahazavana no teo ambanin'Andriamanitra; misy tana-masoandro avy eo amin'ny tanany, dia ny tanany izay iafenan'ny heriny.

5 Areti-mandringana no alefany mialoha Azy, ary tazomahery no mipoitra manaraka ny diany.

6 Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy. Vao jereny ny firenena, dia mangovitra. Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay, mietry ireo havoana fahagola, dia ireo havoana fandalovany taloha.

7 Hitako ny fahorian'ireo vahoakan'i Kosana sy ny horohoron'ireo mponin'i Midiana.

8 Moa ny ony va, TOMPO o, no irehetan'ny fahatezeranao sa ny ranomasina no isafoahanao, no dia ny rahona no toa kalesy tarihin-tsoavaly itaingenanao mba hahazoam-pandresena?

9 Nalanao sarona hohenjanina ny tsipikanao; ka dia ireo fianianana izay notononinao no toy ny zana-tsipika alefanao. Tonga mitresatresaka ny tany nikorianan'ny ranon-driaka.

10 Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mandrotsaka orambe ny rahona, mirohondrohona ny ranomasimbe ka manainga onja hatreny amin'ny lanitra.

11 Noho ny zana-tsipikanao mamiratra mitsoriaka, noho ny lefonao manjelanjelatra mahajemby, dia tsy nahahetsika ny masoandro sy ny volana.

12 Mitety ny tany amim-pahatezerana Ianao, ary manosihosy ny firenena amim-pahavinirana.

13 Niainga hamonjy ny olonao Ianao, eny, hamonjy ilay vahoaka voahosotrao. Aonganao ny filohan'ny andian'olon-dratsy; hatraty am-potony ka hatrany an-tampony no amotehanao izany andian'olon-dratsy izany.

14 Ny zana-tsipikany ihany no anagorobahanao ny lohan'ireo mpitari-tafika fahavalo. Mibosesika toy ny tadio mahery izy, ka faly hampihahaka anay toy ny ampombo sady handevona mangingina izay resiny.

15 Ny nanokafanao lalana dia teo anivon'ny ranomasina; ny soavalim-pahavalo kosa tafahitsoka tao amin'ny fisamboaravoaran'ny onja mahery.

16 Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan'Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.

17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny oliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala,

18 dia mbola ho faly sy ravo ihany aho satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.

19 Ny TOMPO Andriamanitra no heriko; mampalady ahy toy ny dieravavy Izy ka mampiriaria ahy eny an-kavoana. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin'ny valiha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566