Habakòka

Toko faha-2

1 Hipetraka maharitra eo amin'ny fiambenako aho ary hiandry toy ny mpitily eo amin'ny manda mba hahitako izay holazain'Andriamanitra amiko sy hahafantarako izay havaliny ny fitarainako.

2 Dia namaly ahy ny TOMPO ka nanao hoe: Soraty izay ambarako anao amin'ny fahitana, ka sokiro eo amin'ny fafana mba ho azo vakina tsara.

3 Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.

4 Jereo ange: ny olona feno avonavona dia tsy milamina ara-panahy; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona.

5 Eny, mamitaka ny harena: Tsy mahatombina mihitsy ny mpiavonavona, fa homan-dava tahaka ny toeran'ny maty izy ary tsy mety voky toy ny fahafatesana ka dia manangona ny firenen-drehetra ho an'ny tenany sy mamory ny olon-drehetra ho eo ambany fifehezany.

6 Ireo vahoaka babo rehetra ireo kosa dia hiara-manao oha-pitenenana hanesoesoana sy hanaratsiana azy. Eny, ireo vahoaka ireo no hilaza hoe: Lozanareo mpangoron-karena izay mandraoka ny tsy anareo sady mivesatra ny tsatoka! Mandra-pahoviana no hanaovanareo izany?

7 Hitsangana tampoka ireo tompon-trosa; hifoha hanery anareo izy, ka anjarany indray ny handroba anareo.

8 Eny, efa namabo firenena maro ianareo, ka dia mba hobaboin'ny firenena sisa kosa noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin'ny tany, dia tamin'ny tanana sy ny mponina rehetra ao.

9 Lozanareo manangon-karena tsy an-drariny hanasoavana ny taranakareo. Mihevi-tena ho ambony toerana ianareo ka tsy ho tratry ny loza.

10 Henatra ho an'ny taranakareo no hany vokatry ny fanapahan-kevitrareo: tamin'ny nandringananareo firenena maro, dia naman'ny mamono tena ianareo.

11 Fa na dia ny vato amin'ny rindrina aza hiantsoantso hiampanga anareo, ary ny sakamandimby eo amin'ny trano no hanako hamaly azy.

12 Lozanareo manorina sy manitatra tanana amin'ny vono olona sy fanaovan-keloka.

13 Koa hiafara amin'ny afo ny asan'ireo vahoaka; ary zava-poana no isasaran'ireo firenena. Tsy ilay TOMPOn'izao rehetra izao ve no iavian'izany zavatra izany?

14 Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin'ny tany tokoa tahaka ny anaronan'ny ranobe ny fanambanin'ny ranomasina.

15 Lozanareo mampisotro poizina ny namanareo ka mahatonga azy ho mamo sy mitanjaka mba hijerenareo ny fitanjahany.

16 Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra: Misotroa koa ianareo ka mitanjaha! hoentin'ny TOMPO hampibobohany anareo ilay tsangambava feno ny famaizany ka hiova fahafaham-baraka ny voninahitrareo.

17 Fa hanody anareo ny fanimbana ala nataonareo tany Libano; naringanareo ny biby tao, ka biby koa no hampihorohoro anareo. Izany rehetra izany dia ho tonga noho ny olona novonoinareo ho faty sy ny herisetra vitanareo tamin'ny tany dia tamin'ny tanana sy ny mponina rehetra ao.

18 Atao inona moa ny sarin-tsampy? Sary sikotry ny mpahay taozavatra ihany ireny na metaly narendrika hampianatra lainga! Nahoana ny olona no matoky izay zavatra noforoniny ihany, tamin'ny nanaovany sampy moana?

19 Lozanareo manao amin'ny tapa-kazo hoe: Mifohaza! sy amin'ny vato moana hoe: Mitsangana!, nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy. Eny, fa na dia voapetaka takela-bolamena sy volafotsy aza ireo, dia tsy manana aina akory ao anatiny.

20 Ny TOMPO kosa ao an-tempoliny masina; aoka hangina eo anatrehany ny mponin'ny tany tontolo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564