Hôbadià
Toko faha-9
1 Nisehoam-pahitana i Hobadia, ka izao no voalazan'ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin'i Edoma. Nisy iraka nalefa ho any amin'ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin'ny TOMPO hoe: Mitsangana ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an'i Edoma!2 Indro ianao, ry Edoma, fa hataoko osa indrindra eo amin'ny firenena; ka hotsiratsiraina izaitsizy ianao!
3 Ny avonavon'ny fonao no nahavery saina anao! Mitoetra eny an-tsefatsefaky ny harambato ianao, faritra avobe no misy ny fonenanao, ka hoy ianao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany ambany?
4 Na dia miakatra ambony tahaka ny voromahery aza ianao sy mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, dia havariko avy eny ianao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!
5 Raha misy mpangalatra na mpandroba tonga alina ao aminao, moa tsy hindaosiny avokoa ve izay zavatra azony entina? Indrisy fa fongotra ianao! Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao, moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?
6 Endrey izany fisavan'ny olona ireo fanananao, ry taranak'i Hesao! Endrey izany fikarohana ny harenao miafina!
7 Ny olona rehetra izay nanao fifanekena taminao no mandroaka anao hatrany ivelan'ny sisin-taninao. Ny olona tsara fihavanana taminao no mamitaka anao ka naharesy anao. Ireo niara-nisakafo taminao no mamela-pandrika eo amin'ny lalan-kodiavinao. Ka hoy ireo ny aminao hoe: 'Tsy misy matsilo saina intsony ao aminy'.
8 Amin'izany andro izany manko no hamongorako ireo olon-kendry ao Edoma sy ireo matsilo saina ao amin'ny tendrombohitr'i Hesao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!
9 Dia ho raiki-tahotra mafy ny lehilahy maherinao, ry Temana; ka haringana avokoa ny mponina ao amin'ny tendrombohitr'i Hesao.
10 Noho ny taranak'i Jakoba rahalahinao efa nisetrasetranao sy novonoinao, dia ho safo-kenatra ny haringana mandrakizay ianao!
11 Nitsangan-kamely ny Israelita ianao, tamin'ny andro nandresen'ny vahiny ny tafiny sy nidiran'ny hafa firenena tao an-tananany; fony nozarain'ny vahiny antsapaka ny fananan'i Jerosalema, dia niray tetika taminy koa ianao.
12 Tsy tokony ho finaritra nijery ireo rahalahinao ianao tamin'ny andro nahitany loza; tsy tokony ho nifaly ny amin'ny taranak'i Joda ianao tamin'ny andro nandringanana azy; ary tsy tokony ho nanao teny miavonavona ianao tamin'ny andro nampahory azy;
13 tsy tokony ho niditra ilay tananan'ny vahoakako ianao tamin'ny andro nandravana azy; tsy tokony ho finaritra nijery ny fahantrany ianao tamin'ny andro nandravana azy; ary tsy tokony ho naninji-tanana haka ny fananany ianao tamin'ny andro nandravana azy;
14 tsy tokony ho namitsaka teo an-tsampanan-dalana ianao mba hamono izay afa-nandositra taminy; tsy tokony ho natolotrao ny fahavalo ireo sisa tavela tamin'ny andro nampahory azy;
15 satria efa antomotra ny andro hiavian'ny TOMPO ka hamelezany ny firenena rehetra. Amin'izany, dia araka ny nataonao ny hafa no hatao anao koa; ary hatsingerina aminao ny asa ratsinao.
16 Ianareo, ry Israelita, dia efa nisotro ny fahatezerako teo an-tendrombohitro masina; toy izany koa no hisotroan'ny firenena azy tsy an-kiato: eny, hisotro ny fahatezerako izy ka hivembena, ary dia ho fongana toy ny tsy nisy akory.
17 Ho ao an-tendrombohitra Tsiona kosa ireo sisa tavela, ka hanjary masina indray io toerana io; ary ho lasan'ny taranak'i Jakoba ny tanin'ireo naka ny taniny.
18 Ny taranak'i Jakoba ho toy ny afo, ny taranak'i Josefa ho toy ny lelafo; ny taranak'i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr'ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin'ny taranak'i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!
19 Ny mponin'i Joda, faritra atsimo, no hahalasa ny tendrombohitr'i Hesao; ny mponin'i Joda, faritr'i Sefela, no hahalasa ny tanin'ny Filistinina sady hahalasa ny tanin'i Efraima, izany hoe ny tanin'i Samaria; ary ny taranak'i Benjamina no hahalasa an'i Gilehada.
20 Ny babo tamin'ny Israelita, izay tafika marobe, no hahalasa ny tanin'ireo Kanahanita hatrany Tsarefata. Ny babo tamin'ny mponin'i Jerosalema, izay any Sefarada, no hahalasa ny tanana any Negeba;
21 rehefa afaka amin'ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiona mba hifehy ny tendrombohitr'i Hesao. Amin'izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.