Galatianina

Toko faha-6

1 Ry havana, raha misy olona sendra latsaka amin'ny hadisoana, dia aoka ianareo izay manana ny Fanahy Masina hanarina azy amim-pahalemem-panahy; ary aoka hitandrin-tena koa ianao fandrao voataona amin'ny ratsy.

2 Mifampitondra izay mahavesatra, fa izany no hahatanterahanareo ny lalanan'i Kristy.

3 Eny, raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamita-tena izy;

4 fa samia mandinika ny asany avy, ka ny amin'ny tenany ihany no hahazoany mirehareha fa tsy ny amin'ny olon-kafa,

5 satria samy hitondra ny anjara entany avy ny tsirairay.

6 Aoka izay ampianarina ny tenin'Andriamanitra mba hanome ampahany amin'ny fananany rehetra ho an'izay mampianatra azy.

7 Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazina Andriamanitra, fa izay afafin'ny olona ihany no hojinjainy:

8 eny, izay mamafy ny sitraky ny maha olona mpanota, dia hijinja fahaverezana avy amin'ny maha olona mpanota; fa izay mamafy ny sitraky ny Fanahy Masina, dia hijinja fiaina-maharitra mandrakizay avy amin'ny Fanahy Masina.

9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin'ny fotoanandro isika raha tsy kivy.

10 Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny mpianakavin'ny finoana.

11 Jereo amin'ny havaventin'ny soratra fa tanako mihitsy no anoratako ho anareo izao.

12 Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian'i Kristy.

13 Fa na dia ny tenan'izy voafora aza tsy mitandrina ny lalana; kanefa tiany hoforana ianareo, mba hireharehany amin'ny fampiharana izany amin'ny vatanareo.

14 Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin'ny alalan'ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin'izao tontolo izao.

15 Tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora manko no tena zavatra, fa ny maha olom-baovao.

16 Ary fiadanana sy famindrampo avy amin'Andriamanitra no ao amin'izay rehetra hanaraka io fitsipika io, izany hoe ao amin'ilay Israely vahoakan'Andriamanitra.

17 Amin'ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin'ny tenako noho ny maha mpanompon'i Jesoa ahy.

18 Homba anareo anie, ry havana, ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0616