Galatianina

Toko faha-5

1 Hahazo ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; koa mijoroa amin'izany, fa aza mety hogiazan'ny zioga maha mpanompo indray.

2 Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy.

3 Ary ambarako indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalana manontolo izy.

4 Tafasaraka amin'i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason'Andriamanitra amin'ny fanoavana ny lalana; miendaka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ianareo.

5 Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan'ny Fanahy Masina.

6 Fa ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

7 Efa tsara fiainga ianareo teo am-pihazakazahana; ka iza indray no misakana anareo tsy ho voataonan'ny zavatra marim-pototra?

8 Izany fitaomana anareo hiato izany dia tsy avy amin'ilay Andriamanitra miantso anareo.

9 Leviora kely foana dia mampibohaka ny koba manontolo, hoy ny ohabolana.

10 Kanefa izaho dia omen'ny Tompo toky momba anareo fa tsy hanan-kevitra hafa noho ny ahy ianareo; saingy ilay mpanakorontana anareo, na zovy na zovy izy, dia hiharan'ny fanamelohan'Andriamanitra.

11 Izaho kosa, ry havana, raha mbola mitory tokoa hoe ilaina ny famorana, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Raha izany, dia foana ilay fanafintohinana ateraky ny hazofijalian'i Kristy.

12 Enga anie ka hanakilema ny tenany mihitsy aza ireo mpanabataba anareo!

13 Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin'ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin'ny alalan'ny fitiavana.

14 Satria ny lalana manontolo dia tanteraka amin'ny didy tokana hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!

15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao hifandringana.

16 Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota.

17 Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo.

18 Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalana intsony.

19 Fa miharihary ny asan'ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana,

21 fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin'izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

22 Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalana manohitra ny toy izany.

24 Ireo voatokana ho an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin'ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin'ny filandratsiny amam-paniriany.

25 Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina koa isika;

26 fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0799