Galatianina
Toko faha-4
1 Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza;2 fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy.
3 Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao isika;
4 fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalana jiosy,
5 mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalana ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.
6 Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: Raiko o!
7 Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
8 Taloha anefa, fony tsy mbola nahafantatra an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamani-tsy izy;
9 ankehitriny kosa, efa nahalala an'Andriamanitra ianareo. Mihoatra noho izany aza: efa nahalala anareo Andriamanitra, ka ahoana ianareo no miverina indray amin'ny herin-javatra tsy manam-pahefana azy ary tsy misy fotony, dia herin-javatra izay tianareo hotompoina hatrany am-boalohany indray?
10 Andro sy volana ary fizaran-taona sy taona no tandremanareo fatratra.
11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia sasa-poana taminareo.
12 Miangavy anareo aho, ry havana, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo fa izaho koa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy nanisy ratsy ahy velively ianareo,
13 nefa fantatrareo fa aretina nihatra tamin'ny tenako no nahatonga ahy hitory aminareo ny Vaovao Mahafaly tamin'ny voalohany;
14 ary na dia fitsapana ho anareo aza ny tenako narary, dia tsy mba nesoinareo aho na nolavinareo, fa noraisinareo tahaka ny ho nandraisanareo anjelin'Andriamanitra anankiray, eny tahaka ny ho nandraisanareo an'i Kristy Jesoa mihitsy aza.
15 Nankaiza ary ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Ijoroako ho vavolombelona aminareo manko fa, raha azo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nombotanareo homena ahy tamin'izay.
16 Koa dia tonga fahavalonareo ve aho, satria milaza aminareo zavatra marim-pototra?
17 Mila fitia aminareo ry zareo nefa tsy araka ny mety; fa ny hihatahanareo amiko no tadiaviny mba hitiavanareo azy.
18 Tsara izany ilan'olona fitia amin'ny zavatra tsara, kanefa mandrakariva fa tsy hoe raha eo aminareo ihany aho.
19 Rey anaka, mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza indray aho, mandra-pahatongan'ny endrik'i Kristy ho voasokitra ao anatinareo.
20 Iriko ny ho eo aminareo ankehitriny, ka hitenenako araka ny tandrify anareo, fa mahasanganehana ahy ny zava-mitranga eo aminareo!
21 Hono ho'aho, ianareo izay te hofehezin'ny lalana, tsy renareo ve izay ambaran'ny lalana?
22 Fa izao no voasoratra ao: Nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny anankiray tamin'ny vehivavy mpanompo ary ny anankiray tamin'ny vehivavy tsy mpanompo.
23 Kanefa ilay tamin'ny vehivavy mpanompo dia nateraka araka ny maha olombelona fotsiny, fa ilay tamin'ny vehivavy tsy mpanompo dia nateraka noho ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.
24 Ireo toe-javatra ireo dia raisiko ho fanoharana, fa izy roa vavy dia tandindon'ny fanekempihavanana anankiroa. Ny fanekempihavanana anankiray moa natao tany an-tendrombohitra Sinay, ka miteraka ho amin'ny fanompoana: dia i Hagara izany,
25 fa ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia; ary i Hagara dia mifandraika amin'i Jerosalema ankehitriny, satria samy mpanompo i Jerosalema sy ny zanany.
26 Fa ilay Jerosalema any an-danitra kosa tsy mba mpanompo: dia ny renintsika izany.
27 Fa izao no voalazan'ny Soratra Masina: Mifalia, ry vehivavy momba, izay tsy niteraka! Manaova antso firavoravoana, ianao tsy nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny vehivavy mpitondratena dia maro noho ny an'ny manambady!
28 Fa ianareo, ry havana, dia zanaka nateraka araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra, tahaka an'i Itsehaka.
29 Fahizany anefa, ilay teraka araka ny maha olombelona fotsiny dia nanenjika ilay teraka araka ny Fanahy Masina; dia tahaka izany koa ankehitriny.
30 Saingy inona no lazain'ny Soratra Masina? Izao: Roahy io vehivavy mpanompo io sy ny zanany, fa ny zanaky ny vehivavy mpanompo dia tsy hiray lova amin'ny zanaky ny vehivavy tsy mpanompo.
31 Noho izany, ry havana, tsy zanak'ilay vehivavy mpanompo isika, fa zanak'ilay vehivavy tsy mpanompo.