Galatianina
Toko faha-3
1 Tsy misaina ianareo, ry Galatianina! Iza moa no nanodoka anareo? Kanefa dia i Jesoa Kristy voahombo tamin'ny hazofijaliana no naseho mazava teo imasonareo.2 Izaho ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: noho ianareo nanatanteraka ny lalana ve nandraisanareo ny Fanahy Masina sa noho ianareo nihaino sy nino ny Vaovao Mahafaly?
3 Tsy misaina mihitsy ve ianareo no dia nanomboka tamin'ny herin'ny Fanahy Masina kanefa ankehitriny miafara amin'ny maha olombelona osa sy malemy?
4 Dia ho very maina foana ve ny nahatsapanareo zava-dehibe toy ireny, raha ohatra ka ho very maina foana tokoa izany?
5 Rehefa manome anareo ny Fanahy Masina sy manefa asa mahery eo anivonareo ary Andriamanitra, moa ve noho ianareo manatanteraka ny lalana no mahatonga izany sa noho ianareo mihaino sy mino ny Vaovao Mahafaly?
6 Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Nino an'Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina izany!
7 Koa fantaro fa izay velona noho ny finoana no tena zanak'i Abrahama.
8 Tsinjon'ny Soratra Masina rahateo fa ny finoana no hankatoavan'Andriamanitra ny hafa firenena ho marina; noho izany, dia nambaran'ny Soratra Masina mialoha tamin'i Abrahama izao hafatra mahafaly izao: Ao aminao no homban'Andriamanitra fitahiana ny firenen-drehetra!
9 Nino i Abrahama ary nomban'Andriamanitra fitahiana; ary izay velona noho ny finoana dia homban'Andriamanitra fitahiana tahaka azy koa.
10 Fa izay rehetra miantehitra amin'ny fanatanterahana ny lalana dia ianjadian'ny ozona, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalana.
11 Miharihary koa fa, raha amin'ny lalana, dia tsy misy olona eken'Andriamanitra ho marina, satria hoy ny Soratra Masina hoe: Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona!
12 Ny lalana kosa dia tsy miantehitra amin'ny finoana fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay manatanteraka ny didy amam-pitsipika dia ho velona amin'izany.
13 I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin'ny ozona tanisain'ny lalana; fa nanjary niharan'ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo!
14 Izany no nihatra tamin'i Kristy dia mba hahatafita amin'ireo hafa firenena tafaray amin'i Kristy Jesoa ny fitahiana efa nampombain'Andriamanitra an'i Abrahama ary koa mba handraisantsika roa tonta, amin'ny alalan'ny finoana, ilay Fanahy Masina nampanantenain'Andriamanitra antsika!
15 Ry havana, hiteny araka ny fanaon'ny besinimaro aho: na dia ny didim-pananana ataon'olona aza, rehefa vita ara-pomba, dia tsy azon'olona foanana na ampiana.
16 Tamin'i Abrahama sy tamin'ilay taranany kosa no nilazan'Andriamanitra ny fampanantenana. Ary ny Soratra Masina dia tsy manao hoe tamin'ireo taranany, toy ny nanondro maro; fa hoe tamin'ilay taranakao, toy ny manondro tokana: dia i Kristy izany.
17 Ary izao no lazaiko: Nisy fanekempihavanana vita ara-pomba nataon'Andriamanitra mialoha; ary ny lalana, niseho 430 taona taty aoriana, dia tsy hahafoana io fanekempihavanana io ka hahatonga ny fampanantenana tsy hanan-kery.
18 Fa raha avy amin'ny lalana ny lova omen'Andriamanitra, dia tsy avy amin'ny fampanantenana intsony; kanefa, ho an'i Abrahama, dia tamin'ny alalan'ny fampanantenana no nanomezan'Andriamanitra izany maimaimpoana.
19 Inona ary no anton'ny lalana? Ny lalana dia zavatra natovana mba hampiharihary ny fandikan-dalana, mandra-piavin'ilay taranaka iantefan'ny fampanantenana. Fa ny lalana dia natolotr'anjely teo an-tanan'ny mpanalalana anankiray;
20 kanefa ny mpanalalana dia tsy an'ny iray ihany, fa Andriamanitra kosa no iray ihany.
21 Manohitra ireo fampanantenana nataon'Andriamanitra ary ve ny lalana? Sanatria! Raha lalana afaka mamelona no nomena, dia ny lalana mihitsy no hahatonga ny olona ho marina eo imason'Andriamanitra.
22 Kanefa voalazan'ny Soratra Masina fa voageja teo ambany fahefan'ny fahotana avokoa izao rehetra izao, hany ka ilay fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia hatolotra an'ireo mino, noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy.
23 Talohan'ny hahatongavan'izany finoana izany, dia voagadra sy voageja eo ambany fahefan'ny lalana izahay Jiosy mba hiandrandranay ny finoana izay efa hambara aty aoriana.
24 Koa ny lalana dia nanjary mpitaiza anay mba hiandrandranay an'i Kristy, ka hahatonga anay ho marina eo imason'Andriamanitra noho ny finoana.
25 Efa tonga kosa ankehitriny izany finoana izany, ka tsy fehezin'ny mpitaiza intsony izahay.
26 Noho ny finoana manko dia zanak'Andriamanitra avokoa ianareo, satria tafaray amin'i Kristy Jesoa.
27 Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin'i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan'i Kristy.
28 Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin'i Kristy Jesoa.
29 Ary raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon'Andriamanitra.