Galatianina
Toko faha-2
1 Niakatra tany Jerosalema indray aho, 14 taona taty aoriana, ka nomban'i Barnaba sady nitondra an'i Tito niaraka tamiko.2 Niakatra aho satria nasehon'Andriamanitra tamiko fa tsy maintsy ataoko izany. Nihaonako manokana ireo tompon'andraikitra ka namelabelarako ny Vaovao Mahafaly izay toriko any amin'ny hafa firenena, fandrao herim-po very maina ny asa efa notontosaiko sy ny mbola tontosaiko.
3 Kanefa i Tito izay niaraka tamiko, na dia Grika aza, dia tsy noterena hoforana,
4 na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin'i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.
5 Fa tsy nikoy mihitsy izahay taminy, na indray mihelina aza, mba ho Vaovao Mahafaly marim-pototra no voatana ho anareo.
6 Ireo noheverina ho tena tompon'andraikitra kosa, na ahoana na ahoana fahefany, dia tsy mampaninona ahy izany, satria Andriamanitra tsy mba mizaha tavan'olona! , ireo tompon'andraikitra dia tsy nandidy ahy hampihatra fepetra hafa na inona na inona.
7 Hitany aza fa adidy nankinin'Andriamanitra tamiko ny mitory ny Vaovao Mahafaly amin'ireo hafa firenena, tahaka ny itorian'i Petera izany amin'ny Jiosy:
8 eny, Andriamanitra Izay niasa tao amin'i Petera hahatonga azy ho apostolin'ny Jiosy, dia niasa tao amiko ihany koa hahatonga ahy ho apostolin'ny hafa firenena.
9 I Jakoba sy i Petera ary i Johany, izay samy noheveriko ho filoha, dia niaiky izany tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy izany ary nandray tanana ahy sy nandray tanana an'i Barnaba ho mariky ny fiombonana. Koa nifanarahana fa izaho sy i Barnaba dia hiasa any amin'ny hafa firenena, ary izy ireo kosa hiasa eo amin'ny Jiosy.
10 Ny hany zavatra nangatahin'izy telo lahy taminay dia ny hahatsiarovanay ireo mahantran'ny Fiangonana tao Jerosalema; ary nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.
11 Kanefa nony tonga tany Antiokia i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony.
12 Fa talohan'ny nahatongavan'ireo olona vitsivitsy naman'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin'ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan'ny voafora.
13 Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin'i Petera, ka i Barnaba avy aza no voataonan'ny fihatsarambelatsihin-dry zareo.
14 Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin'i Petera teo anatrehan'ny olona rehetra: Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon'ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon'ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon'ny Jiosy?
15 Ary hoy aho aminareo: Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin'ny hafa firenena.
16 Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin'Andriamanitra ho marina, tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana fa noho ny finoana niainan'i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an'i Kristy Jesoa mba hankatoavan'Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan'i Kristy fa tsy avy amin'ny fanatanterahana ny lalana.
17 Raha mitady hiray amin'i Kristy izahay mba hankatoavin'Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon'ny fahotana ve i Kristy? Sanatria!
18 Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalana ahy.
19 Fa izaho, dia tamin'ny alalan'ny lalana no nahafatesako raha ny amin'ny lalana mba hahavelomako ho an'Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana aho;
20 ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin'ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin'ny finoana niainan'ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy:
21 tsy ataoko very maina ny fahasoavan'Andriamanitra! Eny, raha ny lalana no mahatonga ho marina eo imason'Andriamanitra, dia maty tsy amin'antony i Kristy.