Galatianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho tonga apostoly tsy tamin'ny tendrin'olombelona na tamin'ny alalan'ny olombelona, fa noho i Jesoa Kristy ary noho Andriamanitra Ray Izay nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty.2 Mamangy anareo Fiangonana aty Galatia aho ary mamangy anareo koa ny kristianina rehetra tafaraka amiko eto.
3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika.
4 Araka ny sitrapon'Andriamanitra sady Raintsika, dia nanolo-tena i Jesoa Kristy mba hamonjy antsika amin'ny fahotantsika ary hanafaka antsika amin'izao tontolo anjakan'ny ratsy ankehitriny izao.
5 Eny, ho Azy Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.
6 Gaga aho fa tsy toy inona akory dia ilaozanareo ilay Andriamanitra niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy, ka dia Vaovao Mahafaly hafa no itodihanareo.
7 Tsy hoe misy Vaovao Mahafaly hafa tsy akory, saingy misy olona mandrebireby anareo ary te hamilavila ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy.
8 Kanefa raha misy olona, na dia izahay na anjely avy any an-danitra aza, mitory Vaovao Mahafaly hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka izy ho voaozona!
9 Efa voalazanay taminareo taloha izany ary mbola averiko indray ankehitriny fa raha misy mitory Vaovao Mahafaly hafa noho izay efa noraisinareo, aoka izy ho voaozona!
10 Olombelona ve ankehitriny no ilako sitraka? Tsia, fa Andriamanitra no ilako sitraka! Sa ny ho mamy hoditra amin'ny olombelona no tadiaviko? Raha mbola ny ho mamy hoditra amin'ny olombelona no tadiaviko, dia tsy mpanompon'i Kristy aho.
11 Ampahafantariko anareo, ry havana, fa ny Vaovao Mahafaly notoriko taminareo dia tsy zavatra novolavolain'olombelona.
12 Tsy hoe olombelona no nandraisako azy na nianarako azy, fa i Jesoa Kristy no nanambara azy tamiko.
13 Eny, efa renareo ny fomba fiainako fahiny fony aho mbola nanaraka ny fivavahana jiosy: nanenjika lozantany ny Fiangonan'Andriamanitra aho ary nilofo handrava azy.
14 Nandroso tokoa aho tamin'ny fivavahana jiosy ary nihoatra ny ankamaroan'ireo indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko sady fatra-pitana kokoa noho izy ireo ny fampianarana nampitain'ny razako.
15 Kanefa natokan'Andriamanitra dieny hatrany am-bohoka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany.
16 Ary rehefa sitrak'Andriamanitra ny nanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin'ny hafa firenena, dia tsy naka saina tamin'olombelona osa sy malemy aho,
17 ary tsy niakatra tany Jerosalema hanatona ireo apostoly talohako; fa lasa aho nankany Arabia ary dia niverina tany Damasy indray.
18 Telo taona taorian'izany vao niakatra tany Jerosalema aho mba hifankahita amin'i Petera ary dia nitoetra tapa-bolana niaraka taminy.
19 Tsy nahita apostoly hafa aho; fa ny hitako dia i Jakoba rahalahin'ny Tompo.
20 Momba izao zavatra soratako aminareo izao, dia ijoroako eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho!
21 Taorian'izany, dia lasa nankany amin'ny faritany Siria sy Silisia aho.
22 Nandritra izany fotoana izany, dia tsy mbola nisy nahita tava ahy ireo anisan'ny Fiangonana kristianina tany Jodea.
23 Fa nandre fotsiny izy ireo hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny dia indro ankehitriny mitory ny finoana izay nilofosany horavana fahiny!
24 Ary dia nanome voninahitra an'Andriamanitra ry zareo noho ny amiko.