Fitomaniana

Toko faha-5

1 TOMPO o, tsarovy izay nanjo anay, diniho sy jereo ny fandatsana anay.

2 Lasan'ny hafa ny tanindrazanay, lasan'ny vahiny ny tranonay.

3 Efa tsy eo intsony ny rainay ka tonga kamboty izahay, ary mpitondratena ny reninay.

4 Na dia ny lavaka fantsakanay aza dia tsy maintsy andoavanay vola vao azonay isotroana rano; ary vidinay koa ny kitainay vao azonay ampidirina.

5 Avy eo an-damosina ny mpanenjika anay ka trotraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.

6 Nanolo-tanana tamin'i Ejipta sy i Asiria izahay mba ho voky hanina.

7 Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy; fa izahay no mivesatra ny helony.

8 Mpanompo no manapaka anay nefa tsy misy manafaka anay amin'ny fahefany.

9 Manao vy very ny ainay izahay hahazoan-kanina noho ireo dahalo mirongo fiadiana any an-taniefitra.

10 Mahamay toy ny lafaoro ny hoditray satria ampijalijalian'ny mosary izahay.

11 Misy manolana ireo vehivavy ao Tsiona mbamin'ireo virijiny any an-tananan'i Joda.

12 Nahantona tamin'ny tanany ireo mpitondra; ary tsy mba nohajaina ny zokiolona.

13 Ny zatovo mitondra ny vato fikosoham-bary; ary ny ankizy mivembena mivesatra ny hazo.

14 Ny loholona nitsaha-nanao antenimiera; ary ny zatovo nitsaha-nitendry valiha.

15 Nitsahatra ny hafalian'ny fonay; niova ho fisaonana ny dihin-karavoanay.

16 Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay; idiran-doza izahay satria efa nanota!

17 Matoa rera-po izahay matoa jembin-dranomaso ny masonay,

18 dia noho ny tendrombohitr'i Tsiona efa lao ka nanjary fonenan'ny amboadia.

19 Ianao kosa, TOMPO o, dia mipetraka mandrakizay eo amin'ny sezafiandriananao; ary ny fanjakanao no maharitra amin'ny taonjato mifandimby.

20 Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?

21 TOMPO o, ampivereno aminao izahay mba hiverenanay aminao tokoa; havaozy ny fiainanay ho toy ny fahiny.

22 Sa holavinao tanteraka ve izahay na hiharan'ny hatezeranao mihoa-pampana?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565